De-Lire

LAINGA AMIN’NY FOMBA OFISIALY !


Taorian’ny fanambarana ny didim-panjakana amin’ny fametraham-pialan’ny praiminisitra sy ny faneken’ny filohan’ny repoblika izany dia nanambara ny praiminisitra Jean RAVELONARIVO fa tsy mbola nanao sonia izany fametraham-pialany izany izy. Nandainga amin’ny fomba ofisialy ve izany ny eny amin’ny fiadidiana ny repobilika ? Raha izany no dinihina tsy misy azo antoka intsony ny fanambarana satria ny mpitondra faratampony eto amin’ny firenena mihitsy no mandainga am-pahibe maso. Ny mahavarina ny maro ny tenin’ny  praiminisitra fa mbola hiera amin’ny fianakaviany izy aloha mikasika ny fanaovana ny sonia fametraham-pialana. Fa angaha ny fitondrana ny firenena an’ny fianakavian’ny mpitondra ? Dia raha tsy manaiky ny ialany izany ny fianakaviana dia tsy hiala ve izany. Tsy misy fanajana na kely akory ny vahoaka malagasy tompon’ny fahefana  ny mpitondran’ny firenena.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *