Socio-eco

LA POÉSIE DE MADAGASCAR : Boky navoakan’i Ranaivoson Dominique mampivondrona ny asa soratr’ireo poeta malagasy.


« Manampy amin-javatra maro amin’ny fiainana andavanandro ny poezia. Rehefa mamaky tononkalo isika, dia tena manampy be izany : manome hery indray, ilay herim-po hitraka, hiady, hanohy hiatrika ny zava-misy », hoy i Ranaivoson Dominique. Tao anatin’ny 20 taona dia nanangona ireo asa soratra – matetika tsy fahita firy- an’ireo poeta malagasy ity manampahaizana manokana momba ny literatiora malagasy amin’ny teny frantsay ity. Natambany ao anaty boky iray izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy, ny 7 mey 2025 ny sanganasan’i Ranaivoson Dominique, mitondra ny lohateny hoe « La Poésie de Madagascar ».

Voarakitra ao anatin’ity « anthologie » ity  ny asa soratr’ireo poeta malagasy amin’ny teny frantsay, nanomboka tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany ka hatramin’ny ankehitriny. « Ity boky ity dia manangona ny tononkalo nosoratan’ireo poeta malagasy miisa telo-polo (30) — ho an’ny vanim-potoana efatra nifandimby — manomboka amin’ireo poeta zokiny indrindra, toa an’i Jean Joseph Rabearivelo ka hatrany amin’ny zandriny indrindra toa an’i Izika. Ny anthologie dia tahaka ny fehezam-boninkazo : tsy ampy raha voninkazo tokana. Mila safidiana, amboarina miaraka, aseho amin’ny endriny tsara. Ireto voninkazo 30 ireto no nofidiko mba hamoronana ity anthologie-n’ny tononkalo malagasy amin’ny teny frantsay ity », hoy i Ranaivoson Dominique. Hita eo amin’ny fonon’ny boky ny anaran’ireo poety malagasy, mandrafitra ny boky, izay miendrika sarin’i Madagasikara. Ao anatin’izany i Samuel Ratany, Dox, Jacques Rabemamanjara, Régis Rajemisa Raolison, David Jaomanoro, Esther Nirina, Henri Ratsimbazafy, Nestor Rabearizafy, Eugène Mangalaza, Victor Rasoanaivo, Fredy Rajaofera, Raharima­nana, DD Sorajavona, Maurice Ramarozaka, Hajaina Andria­nasolo, Patrick Ramamonjisoa, Na Hassi, Eli Ramanankavana…

Fanandratana ny zavakanto malagasy

Nanamafy i Ranaivoson Dominique fa vokatry ny asa tao anatin’ny taona maro ity « anthologie » ity. “Efa saika novidiako avokoa izay boky rehetra hitako, na vaovao na tranainy — matetika tena tranainy mihitsy aza —, naka kopia avy amin’ireo boky sarotra hita aho, niresaka tamin’ireo poeta”, hoy izy. Miresaka lohahevitra maro ireo sangan’asa  voarakitra ao anatin’ny boky « La poésie de Madagascar », toy ny fitiavana, fisarahana, fanehoan-kevitra, fiovan’ny toetrandro, fiainana andavanandro… Voasarika tamin’ny hasarobidin’ny asa nataon’i Ranaivoson, ny Fonds Yavarhoussen — izay miezaka manandratra ny zavakanto sy kolontsaina malagasy — dia nanapa-kevitra hanohana ara-bola ny famoahana ny boky. «  Ny fanontana an’ity anthologie ity dia tafiditra ao anatin’ny politika malalaka kokoa entin’ny Fonds Yavarhoussen, izay efa nanohana boky valo tao anatin’ny efatra taona farany, indrindra momba ny tantaran’ny zavakanto malagasy », hoy i Emmanuel Bérard, tale jeneralin’ny Fonds Yavarhoussen. Boky 4 000 no navoaka ka ho aparitaka eto Madagasikara sy amin’ireo fivarotam-boky miisa 250 mahery any Frantsa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *