Socio-eco

LA JOURNEE DES ETUDES SUP’ : Sekoly ambaratonga ambony 40 sy lalam-piofanana an-jatony no hita mandritra tontolo andro


Lalam-piofanana vaovao. Noho ny fikatonan’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, izay mbola tsy fantatra na rahoviana vao hisokatra dia niova ho « andro natokana ho an’ny fianarana ambaratonga ambony na « Journée des Etudes Sup’ » ny « salon des études supérieures » karakarain’ny Mada Jeune. Ny alarobia 02 desambra 2020 eny amin’ny Carlton Anosy no hantanterahina izany, manomboka amin’ny  09 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora hariva. Mpitsidika maherin’ny 2500 no handrasana ary fotoana iray ahafahan’ireo sekoly ambaratonga ambony, ivon-toeram-pampiofanana mampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona 2020 ity hetsika ity. «  Ity hetsika fanomezana antontam-baovao sy fanomezana torolalana  aorian’ny bakalorea ity dia varavarana misokatra ho an’ireo sekoly  ambaratonga ambony tsy miankina miisa 40 izay ahitana lalam-piofanana an-jatony sy hihaonana avy hatrany amin’ireo tomponandraikitra ara-pedagojika sy talen-tsekoly », hoy ny mpikarakara, Rajaonah Haingo.

Nambarany fa amidy  amin’io fotoana io ny « guide Madajeune » andiany faha-19. Hita ao anatin’io boky io ireo sekoly ambaratonga ambony tsy miankina eto Madagasikara, ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy. 3000 Ariary ny vidiny. Ankoatra izany, “misokatra ho an’ireo  mpianatra te hahazo torolalana amin’ny lafiny asa ihany koa ny hetsika satria fotoana ahafahan’izy ireo mamantatra ireo fiofanana vaovao”, hoy hatrany ny mpikarakara. Araka ny fanazavany fa anisany mampiavaka ny « Journée des Etudes Sup’ » ny fisian’ireo toerana natokana ho an’ny lalam-piofanana vaovao toy ny Marketing Digital, Design, Formation en ligne… Ho an’ireo mpianatra te hanohy ny fianarany any ivelany dia hanampy azy ireo ny Campus France, StudyDas , Curtin Mauritius, ESCM, FIGS…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *