Socio-eco

LA GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR : Omena sehatra ny orinasa madinika indrindra


Ho tanterahana ny 23 Mai 2018 ka hatramin’ny 27 Mai 2018 eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny « La Grande Braderie de Madagascar » natokana amin’ny fetin’ny reny. « Manome sehatra afahan’ny orinasa madinika indrindra (TPE ) sy orinasa madinika sy salasalany (PME)ny Grande Braderie », hoy Harilala RAMANANTSOA, tomponandraikitry ny MADAVISION. Hitondra sy hampafantatra ireo entana amidiny izy ireo. Tombony ho azy ireo ny fandraisana anjara amin’ny hetsika satria mitombo ny vola azo noho ny andavanandro. Anton’izany ny fahatongavan’ireo mpanjifa maro manararaotra ny fihenam-bidy. Na dia misedra olana aza ireo mpandraharaha mpanafatra entana avy any ivelany amin’ny olana ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, efa niomana ihany izy ireo amin’ity fetin’ny reny ity. Ankoatra izay, hiarahamahalala fa sahirana ny fianakaviana Malagasy amin’ny fahefa-mividy. Izay indrindra no antom-pisian’ny « La Grande Braderie » amin’ny fihenam-bidy hafantarana ny hetsika. Nomarihany fa ny 30%, orinasa tsy mivarotra amin’ny andavanandro na ao amin’ny tambajotra ny mpamatsy ka tombony ho an’ny mpitsidika ny fisian’izy ireo.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *