Socio-eco

LA GASTRONOMIE PIZZA : Nandalo sedra maro nandritra ny 20 taona nijoroany


Nahazoana fahombiazana ny fanajana ny fitsipika. Feno 20 taona katroka ny La Gastronomie Pizza. Noho izany dia ho tanterahana amin’ity taona ity ny ivon’ny fankalazana. « Hampiseho ny fahaiza-manao sy ny traikefa  anananay  amin’ ireo vokatra vokarinay  ny La Gastronomie Pizza  ho an’ny mpanjifa hatrizay fa indrindra hambaboana ireo mpanjifa hafa », hoy RANDRIANAIVO Ambinintsoa Harison na chef Mbinina, Filoha tale jeneralin’ny La Gastronomie Pizza. Nandritra ny fambolen-kazo natao teny Soavohitra, Manakambahiny, kaominina Anosiala ny 22 Febroary 2021 no nanambarany tamin’ny mpanao gazety izany. 20 taona niatrehana ny zavatra nisy teto Madagasikara. Mafy ny 20 taona nodinganina iny satria nandalo sedra maro, hoy i Chef Mbinina. Tonga tamin’izao faha 20 taona izao ny La Gastronomie Pizza  noho ny fanajana ny fitsipika. Nandritra izay fotoana lava izay no nafahana nanomana toe-tsaina sy fo amam-panahy amin’ny 20 taona manaraka indray. Manomboka izao dia tsy maintsy mandalo fiofanana avokoa ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka izay atao ao amin’ny toeram-piofanana FAFIALA. Anton’izany ny hamafin’ny fifaninana izay mitaky fahaiza-manao. Io ivon-toerana io no afahana miatrika ny fifaninana amin’ny fomba tsotra. Nanambara ihany koa i Chef Mbinina fa nisy ny fananganana orinasa vitsivitsy hanodina ny PPN na sakafo ilaina andavanandro.

Hisokatra amin’ny  any ivelany ny vokatra vokarin’ny La Gastronomie Pizza atsy ho atsy amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo izay vonona hanatanteraka ny tetikasan’izy ireo  raha ny nambaran’i Chef Mbinina hatrany.

Fambolen-kazo

Tara tsy toy ny isan-taona ny fanatanterahan’ny vondrona IGP ( International Gastronomy Pizza ) fambolen-kazo tamin’ity taona 2021 ity hoy Chef Mbinina noho fisian’ny coronavirus. Anjara biriky ho entin’ny vondrona IGP ho famerenana an’i  Madagasikara ho rakotra ala ny fambolen-kazo nataon’izy ireo. Indrindra ihany koa ny amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Zanakazo acacia sy mandalia miisa 10.000 amin’ny velaran-tany  fito hektara no novolen’ireo mpiasa ao amin’ny vondrona IGP. Ho an’ny mpiasa eto Antananarivo izao hetsika izao fa mbola ho avy ny any amin’ny faritany hoy hatrany Chef Mbinina. Nahomby ny fampiasan’ny La Gastromnomie Pizza ny « charbon de terre ».  Nihena 50% ny fampiasana kitay  noho ny fampiasana io « charbon de terre » novokarina io. Mbola fandaniana 50% ao anatin’ny La gastronomie Pizza ihany aloha hatreto no vitan’ny orinasa mamokatra  « charbon de terre »  raha noeritreretina fa hamatsiana mpanjifa ivelany izany, hoy izy.

Nirina R.

VIDEO:


One comment on “LA GASTRONOMIE PIZZA : Nandalo sedra maro nandritra ny 20 taona nijoroany

  1. Pingback: LA GASTRONOMIE PIZZA : Nandalo sedra maro nandritra ny 20 taona nijoroany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *