Noho ny fitohizan’ny fiarahamiasan’ny La Charité Madagascar sy Namavata Help France dia olona tra-pahasembanana ara-batana 50 indray no nahazo vatsy ara-tsakafo (colis alimentaire) ny 19 martsa 2022 teny Andranomena. Avy amin’ireo fokontany an’Andranomena sy ny manodidina ireto nahazo fanampiana ireto. Vary, menaka, macaroni, ronono amin’ny boaty, mofo dipaina ary savony no natolotr’ireto fikambanana ireto ho azy ireo. Misaotra manokana an’i Sophie Bachar ny Namavata Help France sy ny La Charité Madagascar tamin’ny fandraisana anjara nataony satria noho ny fanampiany dia mihena ny fandaniana ao an-tokantranon’ireto tra-pahasembanana ireto sy ny fahasahiran’izy ireo manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana.
Heritaona izao no niara-niasa ireto fikambanana any Frantsa sy eto Madagasikara ireto. Nanambatra ny heriny ny roa tonta ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana ireo olona marefo eto Madagasikara. Noho ny fifanomezan-tanana teo amin’izy ireo dia vovon-drano 25 no vita tao amin’ireo fokontany teto Antananarivo renivohitra sy tany Manakara. Tamin’io fotoana io ihany koa dia nanolotra “déambulateur”, fitaovana manamora ny fivezivezen’ireo manana fahasembanana eo amin’ny tongotra ny La Charité Madagascar. Nohamafisin’ny filohan’ity fikambanana ity, Zouber Assenjee fa nanomboka tamin’ny 2007 ny fikambanana no nanao asa sosialy teto Madagasikara.
Ra-Nirina
SARY