Tombontsoa voalohany amin’ny fampiasana internet avy amin’ny zanabolana (satellite) ny fahafahana manao connexion any amin’ny toerana tsy misy « réseau 4G » na tsy voarakotry ny « fibre optique ». Nanavao ny tolotra ny Konnect by Bleuline mba ahafahan’ny ny besinimaro misitraka izany. Afaka misitraka « connexion » tsy manam-petra sy tsy misy « engagement » manomboka amin’ny 125.000 Ariary. Manana tolotra mifanaraka amin’ny filàn’ny tsirairay ihany koa ny Konnect by Blueline, toy ny tolotra 5Go + 150 Go, natao ho an’ny olon-tsotra ka manomboka amin’ny 49.000 Ariary ny saran’ny abonnement sy tsy misy « engagement ». « Internet avy amin’ny zanabolana ny Konnect by Blueline ary tafiakatra hatrany amin’ny 50 Mbps ny hafainganam-pandeha. Afaka misitraka azy manerana an’i Madagasikara, na dia any amin’ny toerana lavitrandriana aza. Nanavao ny tolotra izahay miaraka amin’ny sarany tena ambany mba hifanaraka amin’ny tsenan’ny internet amin’ny alalan’ny zanabolana. Raha iray tapitrisa Ariary ny tolotra ho an’ny orinasa dia nidina ho 395.000 Ariary izany ankehitriny. Ankoatra izany, tsy misy engagement avokoa ireo karazana tolotra rehetra », hoy i Julien Lorel, Tale ara-barotry ny Blueline eto Madagasikara, nandritra fampahafantarana ireo tolotra vaovao momba ny Konnect by Blueline, ny 19 febroary 2025, teny Andranobevava. Nanamafy izy fa mampiavaka ny internet avy amin’ny zanabolana ny fahafahana manao connexion na aiza na aiza, manerana ny Nosy fa indrindra manerana ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara.
Ra-Nirina