politique

KOMITY MANOHANA AN’I FANIRISOA ERNAIVO: “Aoka izay ny mizàna tsindrin’ila”


Mitaky ny hanafoanana tsy misy hatak’andro fanapahana ny karaman’ny kandida Fanirisoa Ernaivo ny komity mpanohana azy. Heverin’ny komity manohana an’ny Fanirisoa Ernaivo (KMFE) fa famonoana ny kandida tohanany ny sazy enim-bolana nomena azy noho ny “teny mahery vaika” nataony tamin’ireo polisy maty. Manan-janaka i Fanirisoa ka inona no hamelomany ny zanany mandritra ny enim-bolana? ”, hoy ny filohan’ny KMFE, Rakotobe Nirina. Manaiky ity komity ity fa nanao fahadisoana i Fanirisoa Ernaivo ary efa nifona. Tsy nahazo rariny anefa izy rehefa nangataka ny fanafoanana ny didy navoakany ny ministeran’ny fitsarana.

“Aoka izay ny fanampenam-bava sy mizana tsindrin’ila”. Nilaza ny komity fa raha tapaka karama ireo polisy sendikalista. Niady ho azy ireo i Fanirisoa tamin’izy mbola filohan’ny randram-baon’ny hetsika sendikaly eto Madagasikara (SSM). Momba ny raharaha an’i Rehavana Michel, mpitsara tany Toliara novonoin’ny polisy. “Hatramin’ny fotoana hitenenana izao dia tsy mbola voasazy na tapaka karama na notsaraina akory ireo nahavanon-doza fa ny mpitsara izay nanao “teny kely soloaka” ary efa nanaovana fialan-tsiny ampahabemaso no niharan’ny sazy faran’izay henjana”. Ankoatra izany, nampatsiahy ihany koa ny KMFE momba ny raharaha Antsakabary. “Inona ny sazy nampiharina tamin’ireo polisy nandoro, nampijaly ary nandrava ny tanàna sy ny fananan’ireo mponina tao Antsakabary izay famonoana olona tsotr’izao? ” Tsy hipetraka na hitsahatra mihitsy ny komity raha tsy mifanaraka amin’ny fitakiany ny valiny omena azy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *