Socio-eco

KOLIKOLY ETO MADAGASIKARA: “Atsaharo ny tsy matimanota”


Very isa ny firenena Malagasy  araka ny  mari-pandrefesana ny kolikoly nataon’ny “Transparency International Initiative Madagascar” taona 2017. Raha 26 amin’ny zato ny salan’isa tamin’ny herintaona, nidina ho 24 izany. Mitana ny laharana faha-118 amin’ny firenena 176 hanjakan’ny kolikoly isika amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana nataon’ny  “Transparency International Initiative Madagascar , vao maika nirongatra ny kolikoly eto Madagasikara ho an’ny taona 2017.  Ny sehatry ny fananan-tany, harena voajanahary, fitantanana eny ifotony, fitantanam-bolam-panjakana no tena nahitana kolikoly be indrindra.  “Mila atsahatra ny tsimatimanota raha te hamongotra ny kolikoly. Tokony arahina hatramin’ny farany ny dingana ara-pitsarana rehetra ho an’ireo olona voasaringotra amin’ny fanaovana kolikoly”, hoy ny filohan’ny Transparency International Madagascar, Alex Rafamatanantsoa.

Manana zo hahalala vaovao ny olom-pirenena. Manentana ny sampandraharaham-panjakana isa-tsokajiny ny Transparency International Madagascar ny  hanome vaovao momba ny fitantanan-draharaha mba hisorohana ny zava-nitranga tamin’ny resaka  tsenam-baro-panjakana farany teo. “Tokony  hampahafantatra amin’ny  olom-pirenena ny tamberinandraikitra vitany ny mpitondra fanjakana. Ny fisian’ny fangaraharana no tanjona eto”.  Maniry ny hampiharana ny lalam-panorenana, andininy faha-11 amin’ny fahazoana vaovao malalaka ny Transparency International Madagascar. Hirona kokoa amin’io andinin-dalana io ny mari-pandrefesana ny kolikoly  andiany manaraka.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *