politique

KOHEN RIVOLALA : Miova ao anatin’ny enim-bolana i Madagasikara


« Teknika ara-panahy no ahafahana hanovàna an’i Madagasikara fa tsy politika ambony latabatra izay misy hatramin’izay ». Na ovàna na tsia io lalam-pifidianana vao lany teny amin’ny antenimiera roa tonta io, mety amin’ny Kohen Rivolala hatrany ny zava-misy. Nefa kosa, tokony afaka hilatsaka avokoa ny rehetra mba hisian’ny fitoniana amin’ny fitantanana an’i Madagasikara ao aorian’ny fifidianana. Ny fanakanana ankolaka an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina dia midika fitiavan-tenan’ny mpitondra izany. Noho izany, tokony haverina dinihan’ny rehetra ny lalam-pifidianana mahatonga izao korontana ara-politika izao.
Olana noforonin’ny mpitondra izao ary notadiaviny sy niriany mba afahany mipetraka ela eo amin’ny fitondrana. Ady madio no tokony hitranga amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hoy Kohen Rivolala. « Hery ara-panahy no hitondrako ny firenena rehefa tonga eo amin’ny fitondrana aho. Amin’ny alalan’ny Tic Tac Do izany ka ao anatin’ny enim-bolana dia hiova ny fiainan’ny Malagasy. Raha sanatria ka tsy tanteraka izany, hiala avy hatrany aho ». Mandritra ny fampielezan-kevitra, efa mahazatra ireo kandidà ny mizara vola sy akanjo. Raiso fa volatsika ihany ireny kanefa kosa, aoka tsy ho voavidin’izany ny safidintsika.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *