Socio-eco

KOLONTSAINA SY NY HAREM-BAKOKA: Azo atao foto-pivelomana


Namory ireo mpanao gazety ara-kolontsaina ny fikambanan’ny vehivavy mpiantsehatra eo amin’ny kolontsaina sy ny harem-bakoka eto Madagasikara (ACFD) ny 9 aprily 2019 teny amin’ny foiben-toeran’ny UNESCO Andraharo. Fampiofanana momba ny kolontsaina sy ny harem-bakoka ary ny voambolana teknika fampiasa amin’ny andavanandro no nataon’ny fikambanana. « Anisany fitaovana iray mampahafantatra ny zava-misy momba ny kolontsaina ny mpanao gazety ka izany indrindra no antony izao fampiofanana fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety mpikirakira ity sehatra ity », hoy ny filohan’ny ACFD, Rabemanantsoa Rintsamahefa.

Zava-dehibe ny fikajiana sy fampiroboroboana ny kolontsaina satria maneho ny maha izy azy ny firenena iray, rohy amin’ny taranaka ho avy ary foto-pivelomana. Araka ny fanazavan-dramatoa Rabemanantsoa Rintsamahefa dia vokatry ny sain’olombelona ny kolontsaina. Voasokajy ao anatin’ny kolontsaina ny harem-bakoka satria haren-tsain’olombelona no namokarana azy ireo. Misy karazany telo ny harem-bakoka: harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana, harem-bakoka azo afindra ary ny harem-bakoka vohitr’olombelona. Ankoatra izany dia manana harem-bakoka voasoratra ho harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao  i Madagasikara. Ao anatin’izany ny Tsingy ny Bemaraha, ny vohitra Ambohimanga-Rova ary ala mando ny faritra Atsinanana. Azo atao tsara ny mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny kolontsaina sy ny harem-bakoka.  Santionany amin’izany ny tombontsoa azo avy amin’ny harem-bakoka iraisan’izao tontolo izao izay misarika mpizahan-tany. Asa mahavelona ihany koa ny kolontsaina satria orinasa 137 mifototra amin’ny asa tanana no manondrana entana any ivelany. Ny antsasany amin’ireo dia vazaha no mitantana azy. Matoa ny vahiny  mihazakazaka mampiasa vola amin’ny kolontsaina, ny asa tanana malagasy dia azo atao loharanom-bola tsara izany ity sehatra ity. Tsy aleo ve mba ampiana tosika ny Malagasy mba tsy ho tompony mangataka atiny?

Lynda A.


One comment on “KOLONTSAINA SY NY HAREM-BAKOKA: Azo atao foto-pivelomana

  1. Pingback: KOLONTSAINA SY NY HAREM-BAKOKA: Azo atao foto-pivelomana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *