Miaraka amin’ireo mpilalao matihanina. Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ny Stage Pro nokarakarain’ny Kintana Football Academy niaraka tamin’ny mpanazatra iraisam-pirenena Nicolas Santucci. Mitohy indray ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ka hisy ny andiany manaraka. Ho tanterahina mandritra ny fialantsasatry ny fetin’ny Paska izany, araka ny fanazavan’ny Sekretera Jeneralin’ny Kintana Football Academy nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 18 martsa 2021 teny Anosy. Ao anatin’ny fialan-tsasatry ny Paska ho an’ny sekoly malagasy ny herinandro voalohany ka ny talata 06 aprily ka hatramin’ny zoma 10 aprily 2021 no hanatanterahana izany. Ny alatsinainy 26 aprily ka hatramin’ny 30 Aprily 2021, mandritra ny vakansy ho an’ny mpianatry ny sekoly manaraka ny rafi-pampianarana frantsay ny herinandro faharoa. Ny alatsinainy 03 mey ka hatramin’ny 07 mey 2021 kosa ny herinandro fahatelo.
“Natao ho an’ny ankizy mpilalao baolina kitra 10 taona ka hatramin’ny 25 taona ny Stage Pro”, hoy Ranaivoson Tiana. Nambarany fa mandritra ny herinandro ny fiofanana ary atao eny amin’ny ivon-toeram-piofanana an’ny Kintana Academy Ambohimanga. Araka ny fanazavany hatrany fa miaraka amin’ny mpilalao efa mandray anjara amin’ny fifaninanana, miaraka milalao amin’ny tena mpilalao baolina ireo mpiofana. “Miaina tahaka ireny amin’ny fampivondronana mandritra ny fifaninanana ireny” . Handray anjara amin’izany ny mpilalao ao amin’ny Jet Kintana toa an’i Tsito, Doddy, Carlos, Joma, Haja ary Landry. Nilaza Ranaivoson Tiana fa mivoatra ilay ankizy araka fanarahamaso nataon’i Nicolas Santucci nandritra ny Stage Pro andiany voalohany. Raha ny fantatra dia 375.000 Ariary ny fandraisana anjara, efa ao anatiny ny fiara fitaterana ny mpiofana, ny sakafo maraina, atoandro, ny gôuter, ireo fitaovana ilaina, ny cocktail mandritra ny fizarana mari-pahavitam-piofanana.
Ra-Nirina