Socio-eco

KARATRA VISA AKORY: 1000 Ariary monja ny sarany isaky ny mividy entana na mandoa vola amin’ireo tranokala iraisam-pirenana


Taloha raha hividy entana ao amin’ny internet dia tsy maintsy manana “carte Visa”. Tsy maintsy manana kaonty eny amin’ny banky anefa vao mahazo “carte Visa”.  Ankehitriny, afaka miantsena “en lgine” ny mpanjifan’ny Orange noho ny fiarahamiasa eo amin’ny orinasa Visa sy ny Orange Money. Tsy misy sarany fanokafana kaonty Visa Akory. Tsy voatery manana carte Visa eny an-tanana akory ny mpanjifa fa tsindriana fotsiny ny #144# dia afaka manokatra kaonty. Tsy ny fiantsenana entana ihany no azo atao amin’ny alalan’ny Visa Akory fa afaka mandoa vola amin’ny fanarahana horonantsary na horonampeo amin’ny streaming, na fiofanana na fanaovana lalao amin’ireo tranokana malagasy sy any ivelany ihany koa. “1000 Ariary ihany no aloa raha hividy entana  na isaky ny handoa vola. Azo antoka ny fampiasana ny Visa Akory noho ny fisian’ny kaody CVV  ahafahana mifanerasera isaky ny fandoavam-bola ary mahavoaray hafatra any amin’ny finday avy hatrany ny mpanjifa alohan’ny handoa vola. Miova isaky ny mividy zavatra iray ny CVV”, hoy Randrianatoandro Nandrianina, Lehiben’ny tetikasa Orange Money. Afaka manana karatra Visa Akory ny mpanjifa manana kaonty Orange Money rehetra. Fantatra fa  Malagasy 2 tapitrisa no afaka mandoa vola “en ligne” nefa tsy manana kaonty eny amin’ny banky noho ny fisian’ny Visa Akory. Raha te hampiasa io tolotra io ny mpanjifa dia afaka mampiditra vola amin’ireo  toeram-pivarotana  Orange Money  miisa 15.000 manerana an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Orange Madagascar amin’ny fanamorana  amin’ny fikirakirana vola sy fandraisana anjara amin’ny  fanodinana ny toekarena  amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika izao fiarahamiasa amin’ny orinasa Visa izao. Manamora ny fifanankalozana ara-bola  eo amin’ireo mpanjifa,  mpivarotra,  orinasa misahana ny fikirakirana vola ary ratsa-mangaika ara-panjakana manerana ny firenena 200 no tena ataon’ny Visa. Nampahafantarina tamin’ny omba ofisialy  ny alakamisy 17 novambra 2022 teny Ankorondrano ity tolotra vaovao Visa Akory.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *