Tsy mipetra amin’izao ny ben’ny tanà n’i Ivato. Nizara fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana sy sokajin’olona tsy nampidi-bola nandritra ny fihibohana ny kaominin’Ivato tarihin’ny ben’ny tanà na Penjy Randrianarisoa. Miisa 300 mahery ireo nisitraka izao fanampiana izao. Anisan’izany ny mpampianatra Fram, mpitarika posiposy, mpanera taxibe, mpitarika kalesa…
Betsaka ireo nitaraina ho tsy nahazo tamin’ny vatsy tsinjo ka nanaovan’ny ben’ny tanà na ezaka manokana ho an’ireo tsy nahazo tamin’izany. Vary, voamaina, legioma, savony, sira, aro-vava no nozaraina tamin’izy ireo ny 19 Aprily 2020. Noho ny fihibohana dia mitaraina tsy mahalafo entana ireo tantsaha mpivarotra legumes. Noho izany  notsimbinina manokana izy  ireo ka ny entan’ ireto tantsaha ireto ihany no novidin’ny kaominina ka nozaraina amin’ireo olona sahirana.
Nangon’i Nirina R.