Socio-eco

Kaominina Befandriana Avaratra: Miandrandra fisandratana


Lalana 76 km monja no mampitohy an’i Antsohihy sy Befandriana avaratra kanefa ora telo vao vita. Tamin’ny andron’ny filoha Philbert Tsiranana anefa ora iray latsaka dia efa tonga noho ny hatsaran’ny lalana izay vita tara,hoy ny ben’ny tanana lefitra, Ramaroson Bemandeha Chaussin Zwisler. Ankehitriny anefa simba ary tsy nisy ny fanamboarana intsony hatrizay na dia efa natao daholo aza ny fangatahana rehetra. Anisan’ny mpamoka-bary tsara kalitao ity kaominina ity kanefa sakana amin’ny famoahana ny vokatra io lalana io.Noho izany, fanirian’ny kaominina ny hanamboarana azy io. Ao anatin’ny vinan’ny fisandratana 2030 ny fanamboarana ny lalana mba ahafahana mampandroso tanana iray sy ny mponina ao aminy. Manamora ny fitaterana ireo vokatra isan-karazany ny lalana rehefa tsara. Ankoatra izay, tsy ho voambakan’ireo mpanelanelana intsony ireo tantsaha amin’ny vidim-bokatra.

Zava-bita

Na dia kely aza ny fanampian’ny fanjakana ny kaominina Befandriana Avaratra dia nisy ny foto-drafitr’asa vita. Anisan’izany ny fananganana ny tsena natokana ho fivarotan-trondro sy fivarotana ho an’ireo tantsaha. Eo ihany koa ny fanorenana « pavillon » miisa 300 izay nanova ny endriky ny tanana ho tsara kokoa, hoy izy. Ankoatra izany, ny fanamboarana ny tranom-pokonolona, lalana mirefy 350 metatra ao amin’ny fokontany Tsararivotra, ny famefena « stade municipal » sy ny fanarenana ny kianja amin’ny ankapobeny…Marihana fa kaominina manana harena an-kibon’ny tany tsara kalitao i Befandriana Avaratra. Nambaran’ny ben’ny tanana lefitra anefa fa tsy misy miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ny tamberim-bidy avy amin’ny fitrandrahana ataon’ireo sinoa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *