Tombony ho an’ny kaominina ny nahavitàna ny SAC. Anisan’ireo kaominina 20, eto amin’ny faritra Analamanga, nahazo tohana avy amin’ny PAGE/ GIZ, tamin’ny famolavolana ny drafitra ifotony fanajariana ny tany na ny SAC (schéma d’aménagement communal) ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo. Ny 29 jona 2020 teny amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, teny Anosy no nanatenterahana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy io SAC io. “Anisany misedra olana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Mafana loatra ny andro. Raha ho an’ny fiompiana akoho manatody lava dia tsy mahatanty hafanana be ny akoho. Mila kitay hanafanana ireo biby ireo kanefa misedra olana ny kaominina noho tsy fananana ala intsony, na ny manodidina aza efa tsy misy intsony. Efa hazo avy any Manjakandriana no ampiasain’ireo mpiompy lehibe hanafanana ireo zanak’akoho”, hoy ny Ben’ny tanàna Dr Rakotonomenjanahary Louis Firmin. Noho izany, “zava-dehibe ho anay ny naha tafiditra tao ao anatin’ireo kaominina 20 nisitraka ny fananganana ny drafitra ifotony ny fanajariana ny tany izay vina mandritra 15 taona ho an’ny kaominina. Rehefa mivoaka io vina io dia eo am-panatanterahina ny Plan de développement communal na drafi-pampandrosoana ny kaominina izay niainga tamin’ny SAC mba hanatanterahana an’ireo asa voakasika ireo. Ho an’ny kaominina Antanetibe Mahazaza manokana dia nahazo famatsiam-bola avy amin’ny GIZ momba ny fambolen-kazo ka nahavitanay namboly zanakazo teo amin’ny roa hetsy mahery teo”, hoy izy.
Ao anatin’ny tetikasa PRCCC (Projet de renforcement de conditions et capacité d’adaptation durable au changement climatique) ho fanampiana kaominina hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro sy fiarovana ny tontolo iainana ity SAC ity. Manampy ny kaominina amin’ny fanatanterahana ireo sahan’asa mifandraika amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, heverin’ny kaominina fa laharam-pamehana ao anatin’ny SAC ihany koa ny GIZ. Ny vondrona eraopeanina sy ny fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) no mamatsy vola ny tetikasa.
Lynda A.
Pingback: KAOMININA ANTANETIBE MAHAZAZA: Misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro - ewa.mg