Socio-eco

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY: Mandry tsy lavoloha ny mponina


Matory any an-tsaha ireo zaza amam-behivavy amin’ny hafitsoky ny mpanao ratsy eny amin’ny manodidina ny kaominina Ambohimangakely. Voatery manao andrimasom-pokonolona ireo lehilahy amin’ny alina. Misy « trakita » nalefan’ireo jiolahy teny amin’ny tanàna toa an’Ampanasana, Behintsy, Amoronakoana, Ambohipeno izay milaza fa « Anjaranareo indray izao fa ho avy izahay ». Nifanehitra tamin’ny olona efatra mampiahiahy izy ireo ny Sabotsy 17 Novambra 2018 lasa teo teny Behintsy. Ny telo azon’ny andrimasom-pokonolona ka nalain’ny mpitandro filaminana fa ny iray kosa tafatsoaka ka noraisin’ny fiara tsy mataho-dalana (4X4) teo amin’ny arabe « by pass », ampitan’ny hotely lehibe iray eny an-toerana. Niodina mafy ity fiara ity nandray ity olon-dratsy ka nandona olona roa amin’ireo andrimasom-pokonolona nanenjika azy. Nirifatra nitsoka anefa ity fiara ity. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly izy ireo ankehitriny. Iray tamin’ireo olon-dratsy  kosa, saika matin’ny andrimasom-pokonolona mihitsy. « Rehefa nanontanianay izy ireo dia namaly fa nirahina hanakorontana. Tsy nilaza ny naniraka azy anefa izy ireo kanefa noteneniny ny toerana misy azy ireo. Eny faritra ambon’ny Ambohimahitsy  kosa no monina », hoy ny andrimasom-pokonolona iray izay tsy nety nitonona ny anarany. Misava lalana no tena ataon’ireto efa-dahy ireto raha ny fahazoan’ny mponina azy. Rehefa hitan’izy ireo fa mety aminy ny toerana dia miantso ireo namany amin’izay. Manahy ireto mponina manodidina an’Ambohimangakely ireto  fa misy hifandraisany amin’ny raharaha-politika misy eto amintsika izao toe-javatra izao mba ho entina hanakorontanana amin’izao fifidianana izao. Mitaraina koa izy ireo fa tsy afaka miditra elakela-trano ireo mpitandro filaminana eny Ambohimangakely. Miantso ny tomponandraikitra ireto mponina ireto mba hijery akaiky ny momban’ny ireo mponina eny an-toerana izay mitaintain-dava ary matahotra valifaty ataon’ireo jiolahy. Azo lazaina fa faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany iny faritra misy ny kaominina Ambohimangakely iny raha ny zava-misy no jerena.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *