Socio-eco

KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBOHIMANDROSO: EPP vaovao miisa telo notokanana


«Fanabeazana manara-penitra, antoky ny fampandrosoana maharitra ». Nitohy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Ambohimandroso ny fanatanterahana ny tetikasa “Sekoly Telma”. Noho ny fiarahamiasa efa naharitra ela teo amin’ny fikambanana “Se tendre la main” na STLM sy ny Fondation Telma izay misahana io tetikasa io dia sekolim-panjakana ambaratonga fototra miisa telo indray no vita. Notokanana ny 16 desambra 2019 lasa teo ireto foto-drafitrasam-pampianarana ireto miorina ao amin’ny distrikan’Antanifotsy ireto. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Fondation fa manana efitrano telo avy ny EPP tsirairay miampy fitaovam-pampianarana toy ny dabilio, toeram-pivoahana sy fidiovana ary lava-drano (forage) mba ahafahan’ireo mpianatra miaina ao anaty tontolo ara-pahasalamana. Ankoatra izany, fitaovana iray hamporisihana ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly ireto foto-drafitrasa vaovao ireto. Raha atao ny kajy dia afaka mandray mpianatra hatramin’ny 600 ireo EPP telo ireo: 250 mpianatra ho an’ny EPP Anosiroa, 152 ho an’ny EPP Ambohitompoina ary 250 ho an’ny EPP Ambatomikotrana. Mahatsapa ny Fondation Telma sy ny STLM fa antoky ny fampandrosoana maharitra ny fanabeazana manara-penitra. Hahavita hatramin’ny farany ny ambaratonga fototra sy voalohany ary faharoa ny zazavavy sy zazalahy malagasy rehetra. Fanamby ihany koa ny hahazoan’ny rehetra fanabeazana manara-penitra, ny fanafoanana ny tsy fitoviana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ary ny fidiram-bola mba hahafahan’ny zanaka malagasy mandalo ny fianarana ambaratonga ambony. Mitaky fampiasam-bola maharitra anefa ny fampiharana ny fanabeazana manaraka ny “kalitao tena izy”.

 Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *