Socio-eco

KAOMININA ALASORA: Mpianatry ny EPP miisa 4.000 nahazo fanomezana ho an’ny fetin’ny noely


Hetsika fanaon’ny kaominina Alasora isaky ankatoky ny  krismasy ny « noely mizara hafaliana ».Mizara fanomezana toy ny kilalao ho an’ireo mpianatry ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao amin’ny kaominina ny Ben’ny tanàna sy ny mpiaramiasa aminy rehefa fetin’ny noely tahak’izao. Notanterahina ny alarobia 20 desambra  2023 ny andiany fahatelo. Mpianatry ny EPP miisa 4.000 no nahazo baolina ho an’ny lahikely ary elo ho an’ny vavikely. Avy  amin’ny EPP miisa 12  ireo ankizy ireo.

 Natomboka teo amin’ny kianja maitso Alasora ny fizarana ka natolotra teo ny anjaran’ireo mpianatry ny EPP Amboaroy, Ambatomalaza, Alasora ary Miadana. Tany amin’ny  « terrain synthétique » no nanolorana ny anjaran’ny EPP Ambohidrazaka, Mahatsinjo. Nitohy teny amin’ny EPP Amphibato ny fizarana ka teny ihany koa no nandray ny fanomezana avy amin’ny kaominina ny EPP Ambohimarina. Ny EPP Mendrikolovana, Ambodivondava, Ankadiaivo ary Mahintsy no namaranana ny hetsika. « Ezahina foana no hanomezana  kilalao ho an’ireo ankizy  satria matetika sahirana ny ray amandren’ireo mpianatra eny amin’ny EPP ka tsy mahavidy  kilalao », hoy Randriantsoa Jimmy, Ben’ny Tanàna an’Alasora. Nambarany nandritra ny lahateny ihany koa fa na dia mandalo fahasarotana aza ny toebolan’ny kaominina dia mbola afaka nizara hafaliana ho an’ireo ankizy. Antony maha sahirana ara-bola ny kaominina amin’izao fotoana izao ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny hetra « impot synthétique ». Ho an’ny kaominina Alasora, ny volana jolay  no farany nahazo izany. Tsy i Alasora ihany no iharan’izany fa ny kaominina rehetra, araka ny fanazavany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *