Sport

KANETIBE MITABE: 64 ny ekipa handray anjara


Ny 11 ka hatramin’ny 20 desambra 2020 eny amin’ny kianja Aro  eny Ankadimbahoaka no hanatanterahana ny “festival de pétanque” na “kanetibe mitabe”.  “Association Sportive pour tous”  (ASPT) no mikarakara ity hetsika ity. “Amin’ny maha fety azy dia afaka mandray anjara avokoa  ny olon-drehetra. Ao anatin’ny 10 andro no hanatontosana ny hetsika ka ny 11 ka 13 hatramin’ny desambra 2020 ny lalao fifanintsanana ary ny 19 ka hatramin’ny 20 desambra kosa ny dingan’ny famaranana”, hoy ny mpikarakara. Araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Association Sportive pour tous”, Razafindrabe Jean Luc fa nanasa ekipa miisa 16 avy any amin’ny faritra ny fikambanana handray anjara amin’ity mitabe ity.

Ahitana sokajy isan-karazany ny fifaninanana mandritra ny “kanetibe mitabe”. Ao ny sokajy natao ho an’ny mpankafy (amateur) kanetibe. Eo ihany koa ny “doublette mixte” sy doublette vétéran” iadiana ny coupe Aro, ny lalao “tetateta” ary ny “doublette féménin” iarahana amin’ny Orange Madagascar. “Mba ahafahana manao zavatra tsara dia misaotra ny Orange nanome ny “cercle” sy ny kisoa kely”, hoy Razafindrabe Jean Luc. Efatra ny loka ho zaraina ho an’ny mitabe. Marihina fa 64 ny ekipa andrasana handray anjara amin’ny festival. Ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana dia mifarana ny fisoratana anarana rehefa feno io isa io.

Nirina R.


One comment on “KANETIBE MITABE: 64 ny ekipa handray anjara

  1. Pingback: KANETIBE MITABE: 64 ny ekipa handray anjara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *