politique

KANDIDA RADILOFE MAMY RICHARD : Laharam-pamehana ny zava-drehetra


Nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiany Radilofe Mamy Richard omaly 16 aogositra 2018. Mpisolovava izy ary ny antoko politika Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (RDS) no nanolotra azy ho kandida amin’ny fifidianana filohampirenena. Nanaraka azy teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) Ambohidahy ny filohan’ny antoko RDS, Fetison Rakoto Andrianirina. Nambaran’ity kandida an’ny RDS ity fa manana vinam-piarahamonina izy ary hampahafantariny izany rehefa manomboka ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Laharam-pamehana avokoa ny zava-drehetra ho an’i Radilofe Mamy Richard.
Nilaza Radilofe Mamy Richard fa rehefa mazava ny lalàna dia manaraka ho azy ny zava-drehetra. Noho izany, raha lany filohampirenena izy dia ny hanova ny lalampanorenana raha ilaina izany. Hitondra vahaolana ho an’ny korontana politika ihany koa izy. Lohalaharana amin’izany ny fanaovana dinika an-databatra boribory handravonana ny korontana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *