Socio-eco

JMJ MADA X: Manohana ny hetsika momba ny fiovan’ny toetrandro sy fiarovana ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ


Tanterahina eto Antsirabe manomboka rahampitso 30 aogositra 2021 ka hatramin’ny 04 septambra 2022 ny fankalazana ny andiany faha-10 amin’ny andro manerantany ho an’ny tanora eto Madagasikara  na JMJ MADA.  Tanora miisa 30.000 avy amin’ny diosezy manerana ny  faritra 23 no andrasana handray anjara amin’ity hetsika ity. Araka ny tombana natao tamin’ireo andiany telo farany, ny andiany  fahafito tamin’ny septambra 2012, ny fahavalo tamin’ny 2015, ary ny  fahasivy tamin’ny 2018 dia hita fa fotoana iray hanentanana sy hahatongavan-tsaina ny JMJ. Araka ny safidin’ny ekipa mpandrindra ny Vovonam-pirenena katolikan’ny Tanora  (VPKT) dia miompana amin’ny  fanajana  tanteraka ny rohivoahary ataon’ny tanora, ho an’ny tanora ary ho an’ny taranaka mifandimby  ny JMJ  MADA X satria ao anatin’ny  fanajana  ny rohivoahary  ny fiarovana ny voahary sy ny fanajana ny aina. Midika ho fiarovana ny olombelona ny fanajana ny voahary  ary fanajana ny aina ny fiarovana ny natiora. Nangataka fiarahamiasa amin’ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ  ny VPKT mba hanohana ny dingana rehetra amin’ny fanamafisana fahaiza-manao, fanentanana momba ady  atao amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fanabazana ara-tontolo iainana mialoha, mandritra ary aorian’ny JMJ eto Madagasikara.

Mampiavaka ny andiany faha-10

Noho izany voafaritra ao anaty fandaharam-potoanan’ny JMJ atao eto Antsirabe dia ny “Festival  Laudato Si” izay ahitana diabe ataon’ireo tanora maherin’ny 30.000 momba ny  fiarovana “tranobe iombonana” na ny planeta tany. Hisy ihany koa ny hetsika fanentanana ara-tontolo iainana amin’ny alalan’ny dihy, “flash mob”, “quizz” sy lalao isan-karazany, fandefasana horonantsary atao amin’ireo ivon-toerana 16 handraisana ireo mpizaika.  Ankoatra izany dia hampiavaka ny JMJ MADA 10 ny fifaninanana miompana amin’ny fananganana tetikasa ara-tontolo iainana. Tsara ho fantatra fa ny volana jolay 2020 no nanomboka ny fandaharan’asa PAGE andiany faharoa. Telo taona ny faharetan’ny tetikasa. Ny faritra  Boeny sy Diana no iasany. Tanjon’ny tetikasa ny fanatsarana  ny fomba fampiasana maharitra ny loharanon-karena voanjanahary manodidina ny faritra arovana voafantina. Mifototra amin’ny hevi-dehibe telo ny sahan’asa rehetra ataon’ny fandaharan’asa.  Voalohany amin’izany ny  fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika an’ireo mpisehatra amin’ireo rojo-pihariana voafantina; Faharoa ny fanatsarana ny lafiny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voanajahary  ary ny fanamafisana fahaiza-manaon’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny lafiny teknika amin’ny fitantanana loharanon-karena voanjanahary  sy rojo-pihariana voafantina ny fahatelo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *