Socio-eco

JMJ MADA 2022: Tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 600 hanentana ireo mpivahiny momba ny fiovan’ny toetrandro sy fiarovana ny tontolo iainana


Hetsika lehibe mitondra fiovam-pihetsika ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanora (JMJ).  Anisany voizina  mandritra ny JMJ MADA andiany faha-10 atao eto Antsirabe nanomboka ny 30 aogositra 2022 ka hatramin’ny 04 septambra 2022 ny fiarovana ny tranobe iombonana na ny planeta tany, ao anatin’izany ny fikajiana ny tontolo iainana.Gilberte Annie Ravakiniaina Mifanandrify amin’ny tanjon’ny fandaharan’asa PAGE 2 an’ny GIZ izany ka teraka ny fiarahamiasa teo amin’ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora  (VPKT). Manohana ny lafiny fanentanana ara-tontolo iainana mandritra sy aorian’ny JMJ  ity fandaharan’asa miompana amin’ny  fanatsarana  ny fomba fampiasana maharitra ny loharanon-karena voanjanahary manodidina ny faritra arovana ity. «  Ny PAGE 2 no nanofana ireo tanora 100 avy amin’ny diosezy manerana an’i Madagasikara dia ireo indray no manofana ny namany. Mpilatsaka an-tsitrapo 600 izany no niofana momba ny  fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fomba entina manentana ny mpiara-belona  sy fampitàna hafatra ara-tontolo iainana, fiovan’ny toetr’andro mba ahafahana manentana ny tanora mitovy aminy mandray anjara”, hoy  i Gilberte Annie Ravakiniaina, Mpanolontsaina teknika miandraikitra ny PAGE 2 GIZ.

Mbola hitohy

DREDD VakinankaratraTsy mijanona hatreo amin’ny fihaonamben’ny tanora katolika ny fampitana ireo fitaovana novolavolain’ny  GIZ (Coopération allemande) hatramin’izay  momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy fiovan’ny toetrandro fa hisy olonkafa ihany hikirakira izany. “Aorian’ny JMJ dia  mbola maro ny hetsika,  atrikasa ho karakarain’ny PAGE 2”, hoy hatrany  i Gilberte Annie Ravakiniaina. Ny faritra Boeny sy Diana no iasan’ny fandaharan’asa ary miara-miasa amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny fandaharan’asa amin’ny fanatanterahana ireo sahan’asa rehetra. Mandritra ny JMJ 2022 dia miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy  (DREDD) Vakinankaratra ihany koa ity fandaharan’asa ity. Nanamafy Ramamonjisoa Tsiry,  solontenan’ny DREDD Vakinankaratra fa fitaovana ahafahana mampita hafatra ny tanora. “Ho entiny mielipatrana any amin’ny toerana andehanany” izany hafatra izany.

Ra-Nirina

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *