Socio-eco

JMJ MADA 10 TAORIAN’NY LAMESA FAMARANANA : Madio tanteraka ireo « site d’accueil » sy Antsahatanteraka


Hivantana efitranon-tsekoly madio ireo mpianatra. Nifarimbona nanangona ireo fako teny amin’ny « site d’accueil » sy Antsahatanteraka ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 600 taorian’ny lamesa famaranana ny ny andro manerantany ho an’ny tanora natao teto Madagasikara  andiany faha-10 (JMJ MADA X). 500 ny mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny diosezin’ Antsirabe nanadio ireo toeram-pandraisana mpivahiny miisa 16. Noho izany, efitrano madio no hivantanan’ireo mpianatra amin’ireo sekoly nandray mpivahiny. Mpilatsaka an-tsitrapo nasionaly miisa 100 kosa no niara-nanadio an’Antsahatanteraka. Gony lehibe  miisa 1500 no nomanin’ny fandaharan’asa PAGE 2/ GIZ, mpanohana ny JMJ MADA 10 tamin’ny lafiny ara-tontolo iainana, hanangonana ireo fako. Navahana ireo fako taratasy, poti-tsakao ary plastika.  Efa misy mpandray avy hatrany ireo fako azo ahodina. Anisany fanentanana ara-tontolo iainana nataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo nandritra JMJ MADA X ny fanariana fako eny dabam-pako sy  fanavahana ireo fako. Maro ireo tanora mpivahiny nanaraka izany. Tanjon’ny andiany faha-10 rahateo ny fampitàna hafatra amin’ny tanora mba hisian’ny fiovam-pihetsika  momba ny fijakiana ny tranobe iombonana sy  fiarovana ny tontolo iainana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *