Socio-eco

JIRAMA SY NY ORANGE MONEY: Manamora ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa


Fanatsarana ny fomba fandoavana faktiora. Nanavao ny fiarahamiasany indray ny Jirama sy ny Orange Money. Tontosa ny 18 septambra 2020 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Orange Money, Degland Michel.  Entina hanampiana ireo “antokon-draharaha ara-barotra” sy ireo toerana fandoavam-bola an’ny Jirama ity fiarahamiasa vaovao ity mba hanamorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa ao amin’ny Jirama.

Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nanampy ireo mpanjifa tamin’ny fomba tsotra sy haingana ary tsy andoavam-bola sy tsy mila mivezivezy ny fandoavana ny faktiora tamin’ny alalan’ny Orange Money. Fomba iray ialana amin’ny filaharana elabe ity tolotra ity. Raha toa ka tsy manana kaonty amin’ny Orange Money ireo mpanjifa dia azo atao ny manefa izany eny amin’ny “Cash Point Orange Money”. Ankoatr’izany, azo atao amin’ny alalan’ny Orange Money na eny amin’ny botika Orange ny fividianana fahana ho an’ireo manana kaontera “prépayé”. Vokatr’ity fiarahamiasa ity, afaka manaramaso ny faktiora nandoavam-bola ireo mpanjifa ary mamoaka izany amin’ny taratasy rehefa avy mitsidika ny tranokalan’ny Orange Money Madagascar.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *