Socio-eco

JIRAMA : 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny vidin-jirony vokatry ny tetikasa Optima


Raha mitovy ny fandaniana. Nitondra fanazavana momba  tetikasa Optima izay ahitana ireo « tarif » efatra : ny tarif social, tarif économique, tarif confort ary ny tarif superconfort ny teo anivon’ny orinasa Jirama ny 20 janoary 2021. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Andriamanga Vonjy fa betsaka tsy mahafantatra tsara momba ireo tarif teo aloha toy ny tarif 14, tarif 16,… ka mba hanamorana ny tolotra omen’ny Jirama no antony nanovàna izany. Ny tarif social dia natao ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 100 kwh, ny tarif économique ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 150 kwh, ny tarif confort ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 300 kwh ary ny tarif superconfort ho an’ny mpanjifa mandany mihoatra ny 300 kwh. Nilaza ihany koa Andriamanga Vonjy fa ho fanarenana ny orinasa Jirama no tanjon’ity tetikasa ity.

 Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny tale jeneraly lefitry ny Jirama fa ho fampitoviana tsikelikely ny vidin-jiro  ho an’ny mpanjifa isam-paritra, ho fanamorana  ny fampiasana ny tarif, noho Covid-19 dia nametraka tolotra vaovao hanampiana sokajin’olona marefo ary ho fampirindrana ny fandaniana satria sarobidy ny angovo no antony io tetikasa Optima io. Tombony  amin’ity tetikasa  ity ny fidinan’ny vidin-jiro hatramin’ny 15 % ho an’ny tarif social rehetra ary 6 ka hatramin’ny 26 %  ho an’ny mpanjifa mandany latsaky ny 130 kwh isam-bolana.   « Noho ny fampiharana ny Optima dia ny 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny fandaniana raha mitovy ny fandaniana teo aloha. Ny 20 %  izany hoe  mpanjifa 70.000 kosa  dia nahita fisondrotana teo amin’ny faktiora. Ny 91 % tamin’izy ireo  nampiakatra ny fandaniany. Toro-hevitra ho azy ireo dia na mitsitsy na miova tarif », hoy hatrany ny tale jeneraly lefitry ny Jirama.

Lynda A.


One comment on “JIRAMA : 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny vidin-jirony vokatry ny tetikasa Optima

  1. Pingback: JIRAMA : 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny vidin-jirony vokatry ny tetikasa Optima - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *