Sport

JET KINTANA: Tanora manan-talenta ny ankamaroan’ireo mpilalao ho an’ny taom-pilalaovana 2021-2022


Mila tohana ara-teknika, ara-pahasalamana fa indrindra ara-bola raha tiana ho matihanina ireo mpilalao anaty klioba. Izany indrindra no nahatonga ny Jet Kintana sy ny Kintana Academy nikaroka fiarahamiasa hanampiana ireo ekipa sy hanomanana ireo mpilalao mpandimby amin’ny  taranja baolina kitra. “Mila matihanina ny ekipanay. Faly izahay  mampandre anareo fa tonga namaly ny antso ny Fly technologies, Viseo Group, Vaniala hanampy anay hanatratra izay tanjona”, hoy ny Filohan’ny Kintana Academy, Ramisamanana Lova nandritra ny fampahafantarana ny ekipan’ny Jet Kintana ho an’ny taom-pilalaovana 2021-2022, amin’ny Orange Pro League. “Ho tsara kokoa firafitry ny mpilalao amin’ity taom-pilalaovana ity satria dia maro ireo tanora manan-talenta”, hoy ny tomponandraikitra. Hanomboka ny 4 oktobra 2021 ny fanomanana, 60 andro katroka mialohan’ny fifaninanana nasionaly izay atao ny 4 desambra 2021.

Karama

 Heritaona ny faharetan’ny fiarahamiasa eo amin’ny Jet Kintana sy ireo mpiara-miombon’antoka voalaza etsy ambony ireo. Nanamafy Ramisamama Lova fa hitondra mpilalao matihanina hanatevina ny ekipam-pirenena ao aoriana ao no tanjona. “Efa misy ihany tanora ao amin’ny Barea U20, efa elaela ohatran’i Joma”, hoy izy. Ao anatin’ny firosoana amin’izay matihanina izay hatrany dia nametraka karama ho an’ny mpilalao ny Jet Kintana. “Miainga avy amin’ny joueur, coach, ny administration ny firosoana amin’ny maha matihanina. Mametraka karama ho an’ny mpilalao izahay mba hanalàna ny ahiahy hoe: tsy tonga ny vola”.

Manomana mpandimby

Fitambarana klioba roa avy ao amin’ny ligin’Itasy  ny AS JET MADA sy ny KINTANA FC ny JET KINTANA. Noho ny fiantraikany Covid-19, nanapakevitra ny mpitarika ny klioba ny taona 2020 fa hiaraka hiatrika ny sedra rehetra sy hanatratra tanjona lehibe kokoa. Teraka tamin’io fotoana io ihany koa ny tetikasa “Alefa Next Generation”. Manomana mpilalao miainga kely indrindra U13 ka hatramin’ny Senior ho lasa matihanina ity tetikasa ity “mba hitondra ny fahaiza-manao avy aty aminay any amin’ny Barea”. “Amin’ny 2026, hisy mpilalao avy aminay hanampy ny ekipam-pirenena  ho tafita amin’izay coupe du monde izay”, hoy Ramisamanana Lova, mpanorina ny KINTANA FC.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *