Non classé

JCI : Miteraka vokatra ny asa


Nandamina ny tetiandro sy ny tetikasa amin’ity taona 2018 ity ny fikambanana Jeune Chambre Interationale (JCI), sampana eto Madagasikara. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-piasan’ny JCI tamin’ny 03 febroary 2018, nandinika ny drafitra ho tanterahina ny mpikambana mba hirosoana amin’ny asa. «Mialohan’ny fotoam-piasana, manatanteraka « rentrée solennelle » rehefa volana janoary na febroary ny JCI Madagascar. Ho mariky ny fahavononana sy fiandohan’ny asa izany », hoy ny Filoha nasionaly ny JCI, Anjara RALAIARIJAONA. Amin’ny maha fikambanan’ny tanora ny JCI, manampy tosika amin’ny fahaizana hananany sy ny sehatra misy azy ny fikambanana. Amin’ny 16 ka hatramin’ny 22 jolay 2018 izao, mikarakara fampiofanana momba ny fahazai-mitantana (leadership) ny JCI. Natao ho an’ny mpikambana sy tanora liana amin’izany io fiofanana atao any Nosy Be io. Tetikasa ahafantarana ny JCI ihany koa ny fanohanana ireo tanora manana tetikasa. Manome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana nomerika (éducation numérique) ihany koa izy.

Fihaonana

Mampivondrona tanora 18 ka hatramin’ny 40 taona miisa 500 ny JCI. 18 ny fitambaran’ny fikambanana manerana an’i Madagasikara. Daty akaiky indrindra hihaonan’ny mpikambana amin’ny faritra Atsimo izao ny 30 martsa sy ny 01 ny volana aprily 2018. Ny JCI Antsirabe no mikarakara izany. Ny 28 ka hatramin’ny 30 Aprily 2018, any Mahajanga kosa ny fihaonambe isam-paritra ho an’ny faritra Avaratra. Ny 05 sy ny 06 ho an’ny fikambanana eto Afovoan-tany ary any Fort Dauphin ny fihaonambe nasionaly. Iraisam-pirenena ny JCI. Noho izany, hisy ny fihaonana fara-tampony izay atao any “Inde” ny 30 oktobra ka hatramin’ny 03 novambra 2018.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *