Socio-eco

ITM 2023-ORANGE : Mampiavaka ny andiany faha-9 ny fisian’ny « digital space »


Nomerika sy fizahantany. Ny 15 ka hatramin’ny 18 jona 2023, eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika ara-pizahantany « International Tourism Fair of Madagascar » (ITM) 2023. Manamafy hatrany ny Orange Madagascar fa  mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ka izany indrindra no mahatonga ny orinasa manohana ny ITM andiany faha-9.  Noho izany, hisy ny toerana atokana  ho an’ny nomerika na « digital space » mba ahafahan’ny mpandraharaha amin’ny sehatrin’ny fizahantany misitraka ny tombontsoa amin’ny fampiasana ny nomerika. Nomarihana tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia ny fiarahamiasan’ny Ofisy nasionaly misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) sy Orange. Niara-nanao sonia tamin’izany i Ramampionona Jonah, Filohan’ny ONTM,  Carine Lefriec, Tale ara-barotra ao amin’ny Orange. Nanatrika ny lanonana i Randriamandranto Joël, Ministry ny fizahantany.

Afaka manovo fahalalana momba nomerika ampiasaina amin’ny tontolon’ny fizahantany ihany koa ny mpitsidika ny ITM noho ny fisian’io « digital space » io. Ankoatr’izany, famelaberalaran-kevitra am-polony momba ny nomerika sy lohahevitra avo lenta no hitranga mandritra ny 4 andro. Miompana amin’ny «  fizahantany lovainjafy sy fifandrasain’ny fizahantany sy ny nomerika » ny ITM 2023. Hivoitra mandritra ny hetsika ny fampiharana  ny « fizahantany mampiray hina sy tomponandraikitra ». Tsiahivina fa ao anatin’ny paikadin’ny ONTM miaraka amin’ny fanampian’ny Ministeran’ny fizahantany sy ireo mpiara-miasa aminy, hisitomana mpizahantany manerana an’izao tontolo izao ny « International Tourism Fair of Madagascar ».

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *