Socio-eco

ISTS-ONG RTM: Miray hina amin’ny fampiroboroboana ny asa sosialy


Misedra olana ireo ivon-toerana misahana asa sosialy eto Madagasikara. Manoloana izany, lohahevitra nodinihana nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy nokarakarain’ny fianarana ambaratonga ambony mampiofana momba ny asa sosialy ISTS ny fitadiavana vahaolana. Niara-niasa tamin’ny ONG Reggio Terzo Mondo (RTM) ny ISTS tamin’ity fankalazana ity. Noho izany, nandray anjara tamin’ny latabatra boribory ny solontenan’ireo ivon-toerana misehatra amin’ny asa sosialy miisa 25 izay miara-miasa amin’ny ONG RTM.

Anterivava : Landry Rambelomanana

“Olana ara-bola no sedrain’ireo ivon-toerana ireo satria miankina amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny ankamaroan’ny fampandehanana ny tetikasa”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS, Landry Rambelomanana. Rehefa tapitra ny famatsiam-bola, miato ny tetikasa. Misy amin’ireo ivon-toerana ireo anefa misahana fampidirana ny zaza an-tsekoly. “Mbola voafetra ny fandraisana ankizy hianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Mandray anjara amin’ny fampianarana ireo zaza tsy afaka mianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny ankamaroan’ireo ivon-toerana miara-miasa aminay. Rehefa tapitra ny fanampian’ny ONG avy ivelany, ho sahirana amin’ny fanohizana ny tetikasa izy ireo satria tsy ho ampy ny enti-manana”, hoy ny lefitry ny sefon’ny tetikasa ao amin’ny RTM, Alexandra Ravelomamonjy. Nantsoina ireo tomponandraikim-panjakana afaka mamaha izany olana izany.

Anterivava : Alexandra Ravelomamonjy

Ankoatra ny latabatra boribory izay notontosaina teny amin’ny foiben’ny ISTS, Mandrimena Andoharanofotsy, nomarihina tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny atao hoe: “asa sosialy sy ny vokatra entiny amin’ny fampandrosoana ny firenena” ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy tamin’ny 20 martsa 2018. 40 ny isan’ny trano heva nampiranty izany. Tahaka ny fanao isan-taona, nofaranana tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena teo amin’ny mpianatry ny ISTS sy ny mpianatry ny oniversite Antananarivo izay izay mandalina ny lalam-piofanana asa sosialy ny fankalazana.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *