Socio-eco

ISOC MADAGASCAR: Hampiasa ny “internet” ny isan-tokantrano


Mihena ny sarany. Ny taona 1994 no nampidirina teto Madagasikara ny “internet”. “Tao anatin’izay 25 taona izay dia heverina fa nisy ny firosoana na dia tsy tena tonga araky ny tanjona napetraka aza. Iaraha-mahalala fa ny sehatry ny haitao dia mivoatra isan’andro”, hoy ny filohan’ny ISOC Madagascar, Razafindrakoto Raft  nandritra ny fanokafana ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny “internet”, ny 12 desambra 2019 teny Ankorondrano. Ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona nidiran’ny “internet” teto amintsika izy ity. « 25 ans de patriotisme numérique » ny lohahevitra no nampitondraina ny hetsika.
Mpisehatra miankina amin’ny fanjakana sy tsy  miankina maro momba ny fikirakirana ny “internet” sy ny manodidina azy avy eto an-toerana sy avy any ivelany no mandray anjara amin’izany. Anisany ho resahana mandritra ny fihaonana ny fomba hampihenana ny saran’ny « connexion internet » eto amintsika. Nambaran’ny filohan’ny ISOC Madagascar fa ambony ny sarany raha oharina amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay ka izay no ilaina fiarahamiasa amin’ireo mpisehatra mitsinjara izany. Ankoatra izany, hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny paikady hampiroboroboana ny “internet” sy ny tontolon’ny nomerika manerana ny Nosy ny fehin-kevitra hivoaka aorian’ny fihaonana izay tsy hifarana raha tsy ny 13 desambra 2019. Raha ny  tarehimarika avy amin’ny ISOC Madagascar dia 2.700.000 ny isan’ny malagasy mampiasa “connexion internet”. “Ny tanjona ho an’ny 25 taona manaraka dia ny malagasy tsirairay, ny isan-tokantrano no afaka mikirakira ny “internet” sy misitraka  ny tombontsoany azo avy aminy”. Ho tanteraka tokoa ve izany raha toa ka mbola mitohy ny fanjakan’olon-tokona?
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *