Socio-eco

INTERNET FIXE – BLUELINE: Nivadika ho « illimité » na andro na alina sy lasa 50 Mbps ny hafainganam-pandehan’ny Airfiber


Mifanaraka amin’ny filàn’ny ao an-tokantrano sy ny arak’asa ary fianarana. Tsy misy lany “data” intsony miaraka amin’ny Airfiber. Lasa “illimité” ity tolotra internet fixe an’ny Blueline ity, na andro na alina ny tolotra raha  toa ka ny alina sy ny faran’ny herinandro ihany taloha. Ankoatra izany, tonga hatrany amin’ny 50Mbps ihany koa ny hafainganam-pandeha raha 20 Mbps izany teo aloha. Nampahafantarina ny zoma18 aprily 2025, teny amin’ny foibeny, Andranobevava ity fanatsarana sy fanavaozana ny tolotra internet amin’ny alalan’ny “fibre opitque” an’ny Blueline ity. Nambaran’i Rapanoelina Jenny, Tomponandraikitry ny serasera fa natao hifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa, na ny ao na-tokantrano na ny mpiasa ny tolotra Airfiber. 149.000 Ariary ny  abonnement  isam-bolana, miaraka amin’ny “engagement”12 volana raha toa ka 24 volana ny an’ny orinansan-tserasera sy fifandraisan-davitra hafa. Manome tolotra manokana ny Blueline amin’izao fampahafantarana ny fanatsarana ny Airfiber izao ka 99.000 Ariary monja ny “abonnement” isam-bolana raha manjifa izany ao anatin’ny herinandro vitsivitsy.

Nanamafy i Julien Lorel, Tale ara-barotrin’ny orinasa fa natao ho an’ny  isan-tokantrano na vitsy na maro an’isa na ho an’ny mpivady ny tolotra Airfiber. “Taloha, olona iray na roa no afaka nanao connexion amin’ny fotoana iray miaraka amin’ny servisy samy hafa. Amin’izao fotana izao anefa afaka mampiasa ny Aifiber avokoa ny ao an-tokatrano, na olona dimy na fito aza. Afaka misitraka ireo servisy omen’ny internet ihany koa toy ny VOD na fijerena horonantsary arak’izay tadiavina, toy ny tantara mitohy, fandaharana amin’ny You tube na Netflix. Eo ihany koa  ny fampiasana ny VoIP na fahafahana miantso na miresaka amin’ny alalan’ny internet, toy ny Whatsapp, Skype, Zoom”, hoy izy. Manampy eo amin’ny tontolo ny asa ihany koa ny Airfiber, na  asa ampitain-davitra (télétravail) na fivoriana ampitain-davitra (Visioconférence), araka ny fanazavany hatrany. Nanomboka ny taona 2018 no nisy ny tolotra internet fixe amin’ny alalan’ny fibre optique tao amin’ny Blueline. Ny eto Antananarivo sy Toamasina ihany no afaka mampiasa azy hatreto. Manana vina hanitatra izany any amin’ny faritra hafa ny orinasa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny  serasera.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *