Mijery ny hafa aloha. Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy beazina ao amin’ny kilasy ASAMA (Asa sekoly Avotra Malagasy) Ivandry Fiavotana ny Interact Fraternity ny 18 septambra 2021. 32 ny isan’ireo ankizy nahazo izany. “ Nanome kits scolaire ny kilasy ASAMA izahay ahafahan’ny zareo miatrika ity taom-pianarana ity. Cahier 100 page 4, 200 page 3, stylos, crayon, crayon de couleur, règle, rapporteur, équerre no hita ao anatin’ireo kits scolaires ireo. Misy biscuit sy bonbon ihany koa », hoy RAZAFINDRABE Franck Johary Maherizo, Filohan’ny Interact Fraternity. Nambaran’ny Tomponandraikitry ny ASAMA Ivandry Fiavotana, RAZAIMBOLA Pierrette fa mitondra fanampiana sy soa be dia be ho an’ny ankizy amin’ny fianarany ireo fitaovana ireo. “Isaorana be dia be ny Rotary sy ny Interact”.
Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Interact Fraternity fa fivondronan’ireo tanora 12 taona ka hatramin’ny 16 ny Interact, izany hoe zanakin’ny Rotary. “Ny Rotary no manampy anay”, hoy izy. Hanana fiarahamonina tsaratsara kokoa, hitondra fiovàna na dia kely dia kely aza, hitondra fiovàna amin’izay afaka ataonay, hampandroso ny tanindrazana no tanjon’ireto zanakin’ny Rotary Ivandry ireto. Ao anatin’ny teny filamatry ny Rotary rahateo ny hoe: “mijery ny hafa alohan’ny ijerena anao”. Nilaza ramatoa RAZAIMBOLA Pierrette fa 16 ny ankizy afaka fanadinana CEPE tamin’ny taom-pianarana farany teo. 12 tamin’ireo no afaka CEPE/6ème. Mbola mangataka fanampiana amin’ny fitaovam-pianaran’ireo tsy afaka 6ème ny tenany. Nampanantena ny Rotary Ivandry fa hitady fomba rehetra hanampiana azy ireo.
Lynda A.
Horonan-tsary