Nitokona tsy niditra ny lapam-panjakana Iavoloha ny mpanao gazety omaly sady nimenomenona. Anton’izany ny nandrarana ny tsy hitondra ny findain’ izy ireo izay anisan’ny fitaovana entina hanatanterahana ny asa fampita-baovao. Nisy ny fifampiresahana ny tokony hamelana ireo fitaovan-tserasera ireo tamin’ny tomponandraikitra ka voavaha ihany ny olana. Anisany nanampy azy ireo hanaiky ny hitondrana izany finday izany ny filohan’ny holafitra, Gérard RAKOTONIRINA. Azo lazaina fa mitady hihemotra amin’ny fandrosoan’ny teknolojia ny fitondrana raha ny zava-nitranga iny no dinihina izay tsy ho voasakana intsony noho ny faneken’ny firenena Malagasy ny fampiharana ny demokrasia sy ny fahalalahana hiteny sy hahazo vaovao ho an’ny olom-pirenena tsy ankanavaka.
Marihana fa tsy azon’ny nasaina atao ny nitondra ny findain’izy ireo nandritra ny fiarahabana nataon’ny filoham-pirenena mivady teny Iavoloha omaly.
Nirina R.
.