Socio-eco

HOLAFITRY NY VADIN-TANY SY NY MPANAO LAVANTY: Tsy nisy mihitsy ny fandroahana olona Tao anatin’ny telo taona


Hiara-hiasa amin’ny fanjakana.  Hiara-mahalala fa nandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara noho ny valanaretina Covid-19. “Hiarahana miasa amin’ny fanjakana ny fanantanterahana ny didim-pitsarana mbola tsy tanteraka  satria noho iny aretina iny dia tao anatin’ny telo taona dia tsy nisy mihitsy ny fandroahana olona tao amin’ny toerana nisy azy. Ezahina ny hiara-hiasa amin’ny fanjakana ahafahana manatanteraka ireo didim-pitsarana, maro dia maro izany didim-pitsarana tao anatin’ny telo taona izany”, hoy  ny filohan’ny holafitry ny vadin-tany sy ny mpanao lavanty vaovao. Notanterahina ny 01 septambra 2021 teny Anosy ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny holafitry ny vadin-tany sy ny mpanao lavanty vaovao, Maître Rakotonirina Alain sy ny teo aloha izay notarihin’i Maître Rasamimaka Mahefalahy.  Nampahafantarina tamin’izany ny asa vitan’ny birao  teo aloha sy laharam-pamehana ho an’ny birao vaovao.

Araka ny fanazavan’i Maître Rakotonirina Alain fa  asa vitan’ny birao teo aloha ny fampidirana ny vadin-tany vaovao miisa 30, ny fanavaozana ny sata mifehy ny vadin-tany. “Efa miditra any amin’ny ministeran’ny fitsarana miandry validation sy ho aroso eny amin’ny Antenimieram-pirenena izany”, hoy izy.

Ao anatin’ny laharam-pamehan’ny birao vaovao kosa ny fananganana sekoly ambony “ école de procedures” mba hahamatihanina ny vadin-tany. “Efa misy ny fifanarahana natao tamin’ny école de procédures tao Paris ary ho ezahina ny  hanatontosa azy ho an’ny telo taona manaraka”, hoy hatrany i Maître Rakotonirina Alain. Nambarany fa ezahina  ny fanovàna ny rafitra mifehy ny vadin-tany satria rafitra efa ela dia ela no misy. Raha ny fanazavany, tsy mahenika an’I Madagasikara ny isan’ireo vadin-tany, 146. “Hiara-hiasa amin’ny ministera mpiahy izahay ka fenoina vadin-tany  ny tribonaly rehetra eto Madagasikara”.

Ra-Nirina

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *