Socio-eco

HENRI RATSIMBAZAFY: Ny 2 aprily 2023 ao amin’ny CCESCA Antanimena ny seho goavana hanamarihana ny faha-90 taonany


Feno 90 taona ny mpanakanto Henri RATSIMBAZAFY. Hosokafana amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana  ny fankalazana ny faha-90 taonany. Ny 29 martsa 2023, daty fitsingerenan’ny taonany nahaterahany, eny amin’ny FJKM Ankadifotsy no hanatanterahana izany ary hanasana ny besinimaro tsy ankanavaka. Hanao fampisehoana goavana ihany koa i Henri RATSIMBAZAFY ny 02 Aprily 2023, ao amin’ny CCESCA Antanimena. Mandritra ny adiny telo ny seho an-tsehatra. 60 taona namoronana hira sy nihirana ary niakarana an-tsehatra i Henri RATSIMBAZAFY. Maherin’ny 200 ny hira noforonony. Ny 50 amin’ireo hira evanjelika. Miresaka momba finamanana, fitiavana, fiainana andavanandro kosa ny ambiny. Nosafidiana manokana ireo hira ho kaloiny mandritra ny hetsika satria tsy ho ampy ny fotoana raha izy rehetra. Hisy  mpanakanto hafa hiaraka aminy hanafana io seho io.

Mpanohana ofisialy ny fampisehoana ny Airtel Madagascar . « Efa ela tamin’ny tantaran’ny Airtel no nanohana, nanandratra avo ny kanto Malagasy. Hankalaza faha-90 taonany i Henri RATSIMBAZAFY dia tsy nisalasala nanohana izahay. Mifanaraka amin’ny  fanatanterahana ny  vinan’ny Airtel: Fanajana, Fihetsiketsehana, Firaisankina ihany koa ny fanohanana hetsika ara-kolontsaina sy mpanakanto », hoy Ratsimbarison Anna, Tomponandraikitrin’ny serasera ao amin’ny Airtel Madagascar nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 14 martsa 2023 teny Ankorondrano. Efa azo jifaina ao amin’ny www.ticketplace.io ny tapakila. Amidy eny amin’ny CCESCA Antanimena kosa manomboka ny alakamisy 16 martsa 2023.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *