Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Mampiranty ny tantaran’ny sary vitan’ny mpanakanto Afrikanina teo anelanelan’ny 1900-2020


Voalohany eto Madagasikara sy kaontinanta afrikanina. Fampirantiana fahaenina karakarain’ny Hakanto Contemporary ny « Esprit Revue Noire Une Collection Fondatrice ». Nanomboka ny 26 novambra 2022 ary  tsy hifarana raha tsy ny 31 martsa 2023 ny fampirantiana.  Sary arak’endrika sy sary fanadihadiana miisa 140 vitan’ireo mpanakanto Afrikanina. Manodidina 30 no haranty eny amin’ny Alhambra Gallery Ankadimbahoaka mandritra ny efabolana. Nindramina tamin’ny “Revue Noire” ireo sangan’asa ireo noho ny fanohanan’ny Fonds Yavarhoussen.  Mampiseho ny tantaran’ny  sary afrikanina tranainy indrindra sy taty aoriana – teo anelanelan’ny taona 1900 ka hatramin’ny 2020- ny « Esprit Revue Noire Une Collection Fondatrice ». Anisan’ireo haranty eny an-toerana ny sangan’asan’ireo mpanakanto Malagasay toa an’i Razaka Joseph, Razafitrimo Guillaume, Ramilijaona, Randria J, sy ny trano mpamokatra sary toy ny studio Rill Maurille Andrianarivelo, Agence Anta. “Voalohany eto Madagasikara sy kaontinanta afrikanina ny fampirantiana ny sangan’asan’ireo mpankanto  nalaina tao amin’ny Revue Noire. Ny Revue dia gazety boky mampiseho ny kanto afrikanina, mandahatra ireo mpanakanto misehatra amin’ny sary, kanto plastika, ny literatiora, ny hira nanamarika ny taona 90 sy 2000. Namoaka laharana miresaka ny tantaran’ny sary afrikanina ihany koa ity magazine ity”, hoy Andrianomearisoa Joël, Tale misahana ny zava-kanto ao amin’ny Hakanto Contemporary nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 24 novambra 2022, ho fampahafantarana ny  fampirantiana « Esprit Revue Noire Une Collection Fondatrice ». Nosafidian’ny Revue Noire handrakofana ny  fonon’ny  gazety boky ho an’ny laharana natokana ho an’i Madagasikara, nivoaka 1997, ny sary nalain’i Andrianomearisoa Joël.

Endrika isan-karazany

Tohin’ny fampirantiana ataon’ny Trano printy “La Revue” any amin’ireo firenena maro ity fiarahamiasa amin’ny  Hakanto Contemporay ity. “Mitohy ny fampirantiana ataon’ny trano printy amin’izao fotoana izao. Fampirantiana natao vao aingana, ny tany amin’ny « Musée des Abattoirs » any Toulouse izay nampisehoana ireo endrikin’ny Revue Noire amin’ny alalan’ny zava-kanto, sary, mozika, horonantsary . Tahak’izay ihany koa ny lalan-tsaina nitondrana ny fampirantiana eto Antananarivo”, araka ny fanazavan’i Jean Loup Pivin et Pascal Martin Saint Leon, kaomisera misahana ny fampirantiana sady mpanorina ny magazine Revue Noire. Marihina fa ivon-toerana manosika ireo mpanakanto Malagasy sy iraisam-pirenena ny Hakanto Contemporary ary tohanan’ny Fonds Yavarhoussen noho fahatsapana fa fototry ny fampandrosoana ny kolontsaina. Karazana fampirantiana miisa enina (06)  no efa nokarakarainy  nandritra ny  telo (03) taona nisiany teto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *