Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Mampiranty ny sangan’asan’ireo mpanankanto tanora miresaka momba ny tany ankehitriny


Mampiseho ireo olana sy vahaolana momba ny tany. Fampirantiana miisa roa (2): “Sedran’ny tany” sy “Ilay tany vaovao” no nanombohan’ny Hakanto Contemporary  ny taona 2024. Fampirantiana fahavalo nokarakarain’ny ivon-toerana momba ny kanto izy ity ary mampiranty ny sangan’asan’ireo mpanankanto tanora, miisa enina (6) izay mampiseho ny fomba fijerin’izy ireo ny zava-misy momba ny tany ankehitriny.  Mpanankanto miisa dimy (5) no mampiseho ny sangan’asany miompana amin’ny lohahevitra hoe “Ilay tany vaovao”. Anisan’izany i Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J), Joëlle aresoa (Joey Aresoa), Aina Jo Harimanjato (Jo Aina), Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo) ary i Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean).

 Eny amin’ny Alhambra Gallery Ankandimbahoaka, rihana faharoa no ahitana ny fampirantiana. Mialohan’ny fidirana ao amin’ny “ascenseur” na handehanana amin’ny tohatra mankany ambony anefa dia efa mitsena ireo mpitsidika sahady ny sangan’asan’i Richianny Ratovo, misy seza vita amin’ny vy, miloko mainty. Rehefa tafiditra ao amin’ny  “ascenseur” indray dia mahita tononkalo manazava ny sangan’asany : “Milomano anaty ranomaso, Milomano anaty orana […]Milomano anaty embona

Milomano anaty tsiaro, Tsy mila ezaka fa entiny fotsiny, Mankany mankany”. Rehefa tonga ao amin’ny rihana faharoa dia asehon’i Richianny amin’ny alalan’ny hosodoko indray ilay tononkalo.  Mampiasa vitre, loko, résine indray izy amin’ireo “installation” mampiseho karazana fihetseham-po.  “Eto” no anaran’ireo sanganasan’ireo.  “Miainga avy any ambany dia misy seza izay entina hitantarana  ireny hazo atsipitsipin’ny ranomasina, hita eny amoron-dranomasina ireny. Eto [amin’ny seza]no mandinika mijery ilay ranomasina, habakabaka, babangoana, misy fihetseham-po. Eto ambony eto indray isika mahita ireto installation ireto: misy endrika manjavozavo, loko manome endrika lomotra, ranomasina, ranomainty izay midika fa mikombona izao tontolo izao dia ianao irery  sisa no eo, ianao sy ny fahatsiarovana. Mitantara ireny embona sy tsiaro ireny  ny plaque tsirairay. Ohatra, eo ambaravarankaly aho mijery orana na ao an-kibon’i Neny na anaty eritreritra. Samy manana ny fandikana azy fa mifandraika amin’ny rano ny lohahevitra. Tiako aseho fa anatin’ny tontolo somambisamby ilay olona, milomano anaty fihetseham-po, fihetseham-po mampifandray ny olona sy ny zavaboahary”, hoy i Richianny, 29 taona, manazava ny sangasan’asany. Ankoatra sary, hosodoko ary tononkalo dia manan-talenta amin’ny famolavolana ara-kendrika (designer) sy fanamboarana sary an-tanana sy pyrogravure izy.

Ny mpanankato Razafintsalama Mialy  kosa no mandray anjara amin’ny fampirantiana “Sedran’ny tany”. Andian-tsary mampiseho ny tany ekolojika, ny tanindrazana kosa ny sangan’asany. Nandritra ny sivy andro izy no naka sary tany amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), Antananarivo – Toliara. Mamintina ny dia izay nataony, ny toerana notsodihany ireo sary miranty ao amin’ny Hakanto. Sady mampiseho ny fitiavana ny tany sy ny fankahalana ny tany ny sangasan’asan’i Mialy. “Miresaka olana sy vahaolana momba ny tany, ohatra ny olana momba ny doro tanety, ny fitrandrahana safira sy ny vahaolana toy panneau solaire izay afaka manampy antsika momba ny angovo, ny zavaboahary samihafa hamonjena ilay tany, ho fitsinjovana ny taranaka ho avy ity fampirantiana ity”, hoy i Andrianomearisoa Joël, Tale ara-javakanto ao amin’ny Hakanto Contemporary, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 4 janoary 2024. Azo tsidihan’ny daholobe, tsy misy vidim-pidirana ny fampirantiana manomboka ny sabotsy 6 janoary ka hatramin’ny 20 aprily 2024.

Nahazo fiofanana nandritra enim-bolana, tohana ara-teknika avy amin’ny Hakanto ireto mpanankanto ireo talohan’ny namoronany ireo sangan’asany. Nanomboka ny taona 2019, nanohana ny ivon-toerana Hakanto ny Fonds Yavarhoussen noho ny fahatsapana fa miteraka fampandrosoana ny kolontsaina sy ny kanto sy ho fanohanana ireo mpanankanto vao misandratra. Hivoaka ny volana febroary 2024 ny boky mampiseho ireo sangan’asan’ireo mpanakanto nampirantiana tao amin’ny ivon-toerana nandritra izay efa-taona izay.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *