Socio-eco

HAINGO PARADIS: « Vonona hanome ny porofo amin’i Filoham-pirenena fa misy lohandohan’ny mpisorona manimba ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka »


Taorian’ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray dia nitohy nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny alakamisy 13 aprily 2023, i Haingo Paradis momba ny raharaha mafana eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Naveriny tamin’izany fa amin’ny maha olom-pirenena azy dia tsy mandry ny sainy ka manaitra ny Filoham-pirenena fa « olona tsy izy no nametrahany fitokisana » eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Vonona hanome porofo amin’ny Filoham-pirenena aho […].Tsy mendrika ny hijanona eo ireo olona telo ireo alohan’ny hametrahan’ny Filoham-pirenena fialàna fa raha tsy izany ho potika ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka », hoy i  Haingo Paradis, mpisehatra ara-tsosialy. Ny tsy fandoavana ny tambin-karaman’ireo mpiasan’ny fahasalamana nandritra ny Covid-19, ny fanesorana tomponandraikitra maro noho ny tsy fanekena ny zavatra hangatahan’izy ireo [izy telo] no anisany antony lehibe mahatonga an’i Haingo Paradis tsy mitsahatra misintona lakolosy, araka ny fanazavany. Nambarany  fa nanome fampanantenana ny Filoham-pirenena fa ho raisina ho mpiasam-panjakana  ireo mpiasan’ny fahasalamana nandray anjara tamin’ny ady mamay tamin’ny Covid-19. « Efa navoaka tamin’ny filankevitrin’ny didy  momba izany kanefa toa mangingina, tsy hita soritra ny fampiharana azy. Manahy ny tenako fa manambana ny fitokonana kanefa ilaina ny fitoniana amin’izao fanomanana ny fifidianana izao », hoy ity mpisehatra ara-tsosialy  ity.

Mbola manao antso avo ihany koa ny tenany ny hanaovana fanadihadiana momba ireo vola niditra tamin’ny ady tamin’ny Covid-19. « Aiza avokoa ny vola niditra tamin’ ireo hotely  nitazomana ireo olona hanao fihibohana ? Aiza ny vola niditra tamin’ny fanaovana vaksiny ho an’ireo olona hivoaka any ivelany? Tokony atao mangarahara izany, indrindra ny vola amina miliara nomen’ny UNICEF fa lasa ny vahoaka malagasy no voasazy. Aiza daholo ireo concentrateur d’oxygène ? Firy no mbola ao? ”, hoy izy. Miantso ny BIANCO sy ny PAC izy hanao fanadihadiana momba izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *