Socio-eco

HAINGO PARADIS: Ho avy hanatsara ny sosialin’ny mpiasan’ny Jirama ary tokony arovana ny Tale Jeneralin’ny APMF


Miantso ny olom-pirenena ho tony sy hahay handanjalanja ny vaovao hiniana aparatika i Haingo Paradis. Amin’ny maha olom-pirenena azy dia naneho ny heviny izy androany 06 aogositra 2022 fa fitoniana no tadiavin’ny vahoaka. Manoloana ny vaovao niely momba ny filazana fa manao kolikoly ny Tale Jeneralin’ny APMF dia nilaza i Haingo Paradis fa “manana ny tomponandraikitra misahana  ny tsenam-barom-panjakana ny ao amin’ny APMF”. “Hita mihitsy fa fanakorontanana manolona ny fahombiazana sy fandrosoana eo amin’ny toerana tantaniny no tanjona amin’ireny fanelezana resaka kolikoly ireny”, hoy izy. Nambarany fa “ny olona tahaka ireny  dia mila arovana satria  nitondra fiovana goavana teo anivon’ny APMF”.

Sosialin’ny mpiasan’ny Jirama

Mazava hoy i Haingo Paradis ny teny nataon’ny Ministry ny angovo tao amin’ny haino aman-jerim-pirenena ny alin’ny 5 aogositra 2022 sy ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Jirama izay manantitrantitra  ny tsy fiakaran’ny vidin’ny herinaratra sy fitondrana fiovana eo anivon’ny Jirama ary fitadiavana ny fomba rehetra hampiodonana ity orinasam-panjakana mamatsy herinaratra sy rano ity  na hiaraha-mahalala aza ny  fahateran’ny fitaovana. Mankahery ny Tale Jeneralin’ny Jirama, ny tomponanadraikitra rehetra manao ny ainy tsy ho  zavatra  ary tsy kivy manoloana ny fanenjehana ny tenany. Amin’ny maha Chargé de mission sociale & politique MEH an’i Haingo Paradis dia nilaza izy fa vonona hanome ny fara-heriny rehetra amin’ny fanatsarana ny sosialin’ny mpiasa eo anivon’Jirama. “Ho avy hanatsara ny sosialy eo anivon’ny Jirama izany izahay miaraka amin’ny tomponandraikitry ny ministera. Miantso antsika mpiasa rehetra ho tony na dia misy aza ny  Filohana sendikaly tsy mijanona manankorontana eo anivon’ny Jirama. Tsy tokony hahataitra  antsika ireny fa hiezaka isika hamondrona ny hery. Ny firaisankina no hery, ny fihavanana manaraka eny.  Hiray hina aloha  isika satria antsika ny Jirama ary ianareo no andrin’ity orinasa ity, indrindra ianareo mpiasa misehatra amin’ny asa  mivantana”. Nohamafisiny fa tsy amidy fa an’ny Malagasy ny Jirama ary izay no tanjona.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *