Tsy ampy ireo teknisiana ara-pamokarana hanolo-tsaina ny tantsaha hiatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany indrindra no antom-pisian’ireo « conseillers spécialisés en agriculture de conservation et agroécologie» (AE/AC). Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 19 aprily 2019 teny amin’ny sekoly fampiofanana teknisiana ara-pamokarana (EFTA) Ambatobe Antananarivo ny andiany voalohany amin’ireto teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra ireto. Avy amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina sy Iboaka Fianarantsoa izy 30 mianadahy ireo ary nisalotra ny anarana “natiora” ny andiany avy ao Toamasina. “Misantatra” kosa ny avy any Fianarantsoa. Raha ny fanazavan’ny talen-tsekolin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, Rakotomalala Nicole dia nanaraka ny lasi-piofanana nasionaly sy “approche par les compétence” (APC) ny fiofanana nataon’ireo mpiofana nandritra ny herintaona. Nandalo fanazaran’asa ihany koa izy ireo. Noho izany dia vonona ny hiatrika ny asa avy hatrany. Nampiavaka ireto andiany voalohany ireto ny finiavan’ireo mpiofana sasantsany nandao ny asany teo aloha noho fitiavana te hanasoa ny tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Tombontsoa
Vokatry ny fiarahamiasan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) sy ny EFTA ary ny GSDM, matihanina manokana momba ny fambolena maharitra (agroécologie) ity fampiofanana teknisiana AE/AC ity. Tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny 2020 ny fampiofanana teknisiana misahana manokana ny fambolena maharitra. Nambaran’ny tale mpanatanteraky ny GSDM, Rakotondramanana fa dingana maro no nolalovana talohany nahatongavana tamin’izao famoahana teknisiana andiany voalohany izao. Tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM, vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) niampy ny fanampian’ny MAEP, ny FOFIFA, ny oniversite, ONG sy tetikasa maro, mpampianatra-mpampiofana 18 amin’ireo ivon-toeram-pampiofanana momba ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra (CEFAR) no nofanin’ny GSDM.
Nilaza ihany koa Rakotondramanana fa tamin’ny taona 2014 no nandrafetana ny lasi-pampiofanana nahafahana nampiofana ireto mpianatra ireto. Hanampy ny tantsaha, ny tetikasa hiatrika ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ireto teknisiana ireto. Sady mamokatra no mitazona ny tsiron’ny tany no tombontsoa ho azy amin’izany, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM. Ankoatra izany, miady sy misoroka ny voka-dratsy ateraky fiovaovan’ny toetry ny andro ny fomba fambolena maharitra.
Sekolim-panjakana eo ambany fiahian’ny ny MAEP ny EFTA. Ahitana azy avokoa ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fifaninana no idirana ao amin’ny sekoly. Anjaran’ny EFTA Ambatobe Antananarivo sy Bezaha Toliara indray no hisitrika ny fampiofanana teknisiana AE/AC ho an’ny taom-pianarana 2018-2019.
Nirina R.
Pingback: GSDM-EFTA: Nivoaka teknisiana misahana manokana agroécologie - ewa.mg
Pingback: GSDM-EFTA: Nivoaka ny teknisiana misahana manokana agroécologie - ewa.mg