Socio-eco

FEPA 2019: Mahaliana ireo zava-baovao


“Fototry ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena”. Io no lohahevitra iompanan’ny tsenaben’ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena (FEPA). Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 30 mey 2019 ny FEPA andiany faha-11. Hetsika iarahan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) sy ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE) mikarakara izy ity. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny FEPA 2019 ny minisitra Ranarivelo Lucien sy ireo mpiara-miasa aminy niaraka tamin’ny ekipan’ny MPE. Hitohy rahampitso 31 mey ary hifarana ny alahady 2 jona 2019 ny tsenabe izay atao eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka.

Tosika ho an’ireo mpisehatra amin’ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena fa indrindra ho famporisihana ny Malagasy sy ny vahiny hanjifa ny vokatra eto an-toerana ny FEPA, hoy ny tomponandraikitry ny MPE. Samy ho hita eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka na ny varotra fampirantiana, ny famelabelaran-kevitra, ny fiofanana maimaim-poana, ny fampirantiana alika, ny toeram-pialamboly sy ny filalaovana. 300 ny isan’ny trano heva ka tsy ireo vokatra avy amin’ny fambolena, fiompiana ary jono sy ireo sakafo azo avy aminy, ireo fitaovam-pamokarana isan-karazany ihany no azo jifaina mandritra ny efatr’andro fa misy ihany koa ny sehatra natokana ho an’ny asa tanana malagasy sy ny tontolo iainana.

Vao andro voalohany dia efa marobe ireo mpitsidika satria mahaliana ireo zava-baovao entin’ireo mpandray anjara. Tsikaritra fa tsy ny Malagasy ihany no liana amin’itony tsenabe natokana ho an’ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena fa eo ihany koa ny vahiny satria mbola azo antoka ny vokatra malagasy amin’ny lafiny kalitaony. Mpitsidika 23.000 no handrasana mandritra ny hetsika, ankoatra ireo mpianatra 2000 hitsidika maimaim-poana ny tsenabe, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *