Socio-eco

GREVY ENY ANKATSO: Miato ao anatin’ny herinandro vitsivitsy


Rehefa nivory ny toko telo mahamasa-nahandro eny amin’ny oniversite Antananarivo dia tapa-kevitra fa hanatsahatra ny fitokonana. Nisy ny fifampiresahan’ny mpandraharaha, mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny mpianatra tamin’ny filohampirenena sy ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Mbola nitohy teny amin’ny biraon’ny ministra mpiahy ny oniversite ny dinika mba hitadiavana vahaolana iraisana. Nanaiky ny fangatahan’ny fiondram-panjakana ny toko telo mahamasa-nahandro fa hifampidinika. “ Nahatsapa fa nisy fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena sy ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny alatsinainy 30 jolay 2018 tety Ankatso. Nifampiresaka tao amin’ny fotoana fohy nihainoana ny hetahetan’ny mpandraharaha, mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny mpianatra ry zareo”, hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Sammy Grégoire Ravelonirina.

Fepetra

Hanatsahatra ny fitokanana ny toko telo mahamasa-nahandro ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. “Raha sanatria ka tsy misy fandraisana andraikitra ao anatin’ny roa na telo herinandro dia hanamafy izay tokony hohamafisina izahay”. Vahaolana azo tsapain-tanana no handrasan’ny mpianatra toy ny fampiakarana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana, fanatsaràna ny tranon’ny mpianatra, fampidinana ny hofan-trano. Ao anatin’ny fitakian’ny mpandraharaha ihany koa fandoavana karama ara-potoana, ny fandoavana ny tambin-karama. Mbola tsy tonga kosa ny fangatahan’ny SECES toy ny tambin-karam-pikarohana nanomboka ny volana janoary 2016, ny lalàna mandrafitra ny rafi-pampianarana LMD (Licence-Master-Doctorat).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *