Socio-eco

GRANDE BRADERIE: Manampy ny tokantrano hahita ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro iharan’ny fihenambidy


Entana vaovao hiaka farany sy entana iharan’ny fihenambidy no anisany amidin’ireo mpandray anjara amin’ny Grande Braderie de Madagascar. Nisokatra ny alakamisy 29 septambra 2022 ny hetsika ara-barotra karakarain’ny Mada Vision tontosaina  eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. 100 ny isan’ny trano heva izay ahitana mpandray anjara miisa 80. Entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny sakafo, kojakoja ao an-tokantrano sy ao an-dakozia, akanjo, kiraro, vokatra natoraly, taozavatra… no amidy eny an-toerana mandritra ny efatr’andro.  » Andiany faharoa ho an’ny taona 2022 ity. Ireo mpitsidika mitady entana vaovao no hita tety amin’ny kianjan’i Barea ny andro voalohany », hoy Andrianasolo Hery, tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Mada Vision. Nambarany fa ankoatra ireo entana vaovao dia misy ireo entana iharan’ny fihenambidy manomboka amin’ny 15 %, araka nahafantarana ny Grande Braderie hatramin’izay.  » Fepetra napetraka tamin’ny mpandray anjara ny fanomezana fihenambidy ka misy ny mpanaramaso ireo vidin’entana », hoy izy. Araka fanazavany dia tanjon’ny mpikarakara ny ahafahan’ny tokantrano mahita ireo entana ilainy amin’ny fiainana andavanandro.  Ny alahady 02 oktobra 2022 vao hifarana ity hetsika ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *