Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGSCAR: Iharan’ny fihenambidy ireo entana atao fanomezana ho an’i Neny


Mbola mitohy androany sabotsy 03 jona ary hifarana rahampitso alahady 4 jona ny Grande Braderie de Madagascar. Anisany ankafizan’ny mpanjifa ny hetsika hatramin’izay ny  fihenambidy amin’ireo entana amidy.  “Iharan’ny fihenambidy manomboka amin’ny 15 % ireo entana amidy mandritra ny Grande Braderie de Madagascar (GBM) ho fitsinjovana isan-tokatrano noho ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisany mampiavaka ny hetsika hatramin’izay ary andrasan’ny mpankafy GBM rahateo io fihenam-bidy io”, araka ny fanazavan’ i Hery RANDRIANASOLO, mpikarakara ny hetsika. Trano heva miisa 100 no miranty eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina mandritra ity andiany ity. “Karazan’entana maro toy ny sakafo, akanjo fitafy, lamaody, kojakojan-dakozia, kojakoja momba ny fiara sy ireo entana azo atao fanomezana ho an’ny reny no ho hita mandritra ny hetsika. Nanamafy ny mpikarakara fa ho arahimaso sy ho tandrovana tokoa io fihenam-bidy io

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *