Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Zava-dehibe ny fihenam-bidy amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao


“Atao daholo ny zava-drehetra ary indrindra tsy adinoina ny mitsidika ny Grande Braderie”. Io no teny filamatry ny Grande Braderie de Madagascar. Ny alakamisy 29 septambra ka hatramin’ny  alahady 02 oktobra 2022 ny hetsika ara-barotra manaraka  karakarain’ny Mada Vision. Eny amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no hanatanterana izany. Trano heva an-jatony no hiranty eny  an-toerana izay ahitana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny sakafo, kojakoja  ao an-tokan-trano sy ao an-dakozia sy ny maro tsy voatanisa. Iharan’ny fihenam-bidy avokoa ireo entana amidy, araka ny fanazavan-dRamatoa Ramanantsoa Harilala, mpikarakara. “Tsapanay fa tena ilaina amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao ny Grande Braderie . Tena ilaina ny fihenam-bidy. Manome ary vonona ireo mpandray anjara hanome fihenam-bidy 15 % fara-fahakeliny amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ”, hoy izy. Mivoha amin’ny 8  ora maraina ka hatramin’ny  6 ora hariva ny hetsika. 2000 Ariary ny vidim-pidirana. Nomarihiny fa misy ny “parking” ary nohamafisina ny fandriam-pahalemana mandritra ny hetsika. Entanina hatrany anefa ny mpitsidika ho mailo fa ny ratsy tsy kely lalana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *