Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR : Ny 26 ka hatramin’ny 29 mey 2022 eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina


Tamin’ny roa taona lasa no nisy Grande Braderie de Madagascar farany. Miverina indray izany ankehitriny ka ny 26 ka hatramin’ny 29 mey 2022 ao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no hanatanterahana izany. 150 mahery ny mpandray anjara mandritra ny efatr’andro. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo karazan’entana ilaina amin’ny fiainanan andavanandro toy ny sakafo, kojakojan-dakozia, akanjo, kiraro, kilalao….Raha toa ka hifidy fanomezana ho an’i Neny noho ny fetin’ny reny amin’ny alahady 29 mey 2022 dia maro azo isafidianana tsara ireo entana amidy eny amin’ny Grande Braderie de Madagascar. Mampiavaka ny hetsika ara-barotra ny fihenam-bidy ka amin’ny ity andiany ity Dia hampihatra ny fihenam-bidy 15 % ny mpandray anjara.  » Amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao dia ilaina apetraka  ny fomba rehetra ahafahan’ny tokantrano miantsena », hoy Ramanantsoa Harilala, tompondraikitrin’ny Mada Vision, mpikarakara ny hetsika. Nambarany fa ho arahamaso ny vidin’entana mandritra hetsika mba samy hahazo ny anjarany ny mpitsidika.  » Manantena ho tonga maro ny mpanjifa », hoy izy. Nilaza ihany koa Ramanantsoa Harilala fa manampy ny mpivarotra handany ny entany ao anatiny fotoana fohy ny Grande Braderie.

Lynda A.

Horonan-tsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *