Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR : 20 taona nanome ny soa ho an’ny mpanjifany


Raha hetsika ara-barotra dia efa manana traikefa amin’izany ny Mada Vision. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia lasa 1000 Ariary ny vidim-pidirana amin’ity indray mitoraka ity. 20 taona ny hetsika “grande braderie de Madagascar” nokarakarainy. Tsapa tamin’ ity taona 2019 ity fa tena manify ny enti-manan’ny tokantrano atokana ho an’ny fiantsenana, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara, Ramanantsoa Harilala. Anisany nampidinana ny saram-pidirana amin’ny hetsika izany nefa eo ihany koa ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona.  Ho fanamarihana izany dia manome tolotra manokana ho an’ny mpankafy sy mpanjifa ny entana amidy mandritra ny hetsika. Atao ny 18 ka hatramin’ny 22 desambra 2019 eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana ny grande braderie ho an’ny fetin’ny noely sy fetin’ny faran’ny taona. “tsy maintsy manao fihenam-bidy, farafahakeliny 15 %  amin’ny  entana rehetra amidiny ny mpandray anjara”, hoy izy.
“Manentana fa ho tonga maro  ny mpankafy sy mpitsidika ny grande braderie ao anatin’ny dimy andro fa hisy ny fihenam-bidy goavana amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro”, hoy hatrany izy. Marihina fa trano heva maherin’ny 200 no azo tsidihina mandritra ny hetsika atao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *