politique

GOVERNEMANTA VAOVAO: Ho sarotra ny asa


Efa lany tamin’ny fitondrana teo aloha ny lalàna ny fitantanam-bola sy ny teti-bola (LFI) ho an’ny taona 2019-2020. Tsy maintsy havadika ho programam-panjakana (programme général de l’Etat) anefa  ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina antsoina hoe: IEM na Initiative Emergence Madagascar. Hanano-sarotra ny fanatanterahana ny fandaharan’asa IEM amin’ity fiandohan’ny fotoam-piasàn’ny filoha vaovao ity satria mety tsy hifanaraka amin’ny teti-bola hanatanterahana ny vinan’asa ny LFI lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena.

Araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Imbiki Herilaza fa mahazo zato andro famindram-po ny filoham-pirenena, ny lehiben’ny governemanta sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ka tokony milofo hanao karazana drafi-pampandrosoana ara-tsosialy ka ao anatin’ny fe-potoana latsaky ny enim-bolana dia mba hiantraika any amin’ny vahoaka izany. Nohampatsiahivin’ity mpahay lalàna ity fa tsy misy lalàna manery ny  filoham-pirenena hanatanteraka ny  fampanantenany. Ny praiministra no manao ny programam-panjakana (PGE). Rehefa voatendry izy dia tsy maintsy  ao anatin’ny fe-potoana faran’izay fohy dia entin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny  PGE.

Lynda A.


One comment on “GOVERNEMANTA VAOVAO: Ho sarotra ny asa

  1. Pingback: GOVERNEMANTA VAOVAO: Ho sarotra ny asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *