Socio-eco

GEM: 300 tapitrisa Ariary no voaangona hanampiana ireo mpiasa tra-pahasahiranana


“Vatsy firaisankinan’ny orinasa”. Nitady paikady hafa ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) ho fanampiana ireo mpiasa sy ny fianakaviany tra-pahasahiranana noho ny Covid-19. Natomboka  ny 10 septambra 2020 teny amin’ny CCIA Antaninarenina ny fizarana ireo fanomezana voaangona. “Natao avokoa ny antso ho fijerena akaiky ireo mpiasa saingy tsy nisy valiny loatra izany ka nametraka kitapo iombonana (basket fund) ny GEM izay niantsoana tolo-tanana avy amin’ireo vondron’orinasa sy orinasa mpikambana ao aminy, ny volana jona 2020”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry. Nahatratra 300 tapitrisa Ariary no voaangona tamin’izany. Ankoatra ny tohana ara-bola dia nisy tamin’ireo orinasa no nanome sakafo, fanafody isan-karazany. Ireo rehetra ireo no natambatra ho “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. Natolotra tamin’io fotoana io ihany koa ireo “respirateurs” miisa valo  natokana ho an’ny tobim-pitsaboana miisa efatra  eto Antananarivo sy any amin’ny faritra hafa, ho enti-mandray an-tanana ireo mpiasa  sy ny fianakaviany mila izany.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny GEM fa “tamin’izao dingana voalohany izao dia miisa 52 ireo orinasa tra-pahasahiranana teto Antananarivo sy ireo faritany hafa, avy amin’ny sehatr’asa maro, no nanao fanambarana fa  voatery nampihatona, nandroaka mihitsy ireo mpiasa tao aminy”. Miisa 4701 ireo mpiasa voakasik’izany, ary ny fianakaviana 2000 amin’izy ireo no hisitraka ny “vatsy firaisankinan’ny orinasa”. “Ho zaraina 100.000 Ariary ireo mpiasa tena sahirana”, hoy izy. Hiampy tolotra ara-tsakafo izany ho an’ireo tena sahirana indrindra miisa 1000. Nambarany fa ireo kely karama, ny faharetan’ny fampiatoana ara-teknika, ny fotoana naha-voaroaka, ny maha-mpiasa vehivavy, ny fahasembanana sy ny fianakaviana maro an-trano no mason-tsivana nisafidianana ireo mpahazo tombontsoa. Nomarihiny fa miara-miasa amin’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana OIT (Organisation International du Travail) sy PAM (Programme Alimentaire Mondial) ny GEM amin’ny fitantanana ireo fanampiana ary mbola manao antso avo amin’ireo orinasa mbola te hanampy fa mbola hisy ny fizarana fanampiana andiany faharoa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *